PolitikaSongadim-baovao

FAMAHANA NY OLAN’NY VAKSININ’OMBY: Namory ireo Ben’ny tanàna nanao fakan-kevitra ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana

Maro ny olana tsy mampanjary ny seha-pihariana omby eto Madagasikara, izay naharaisana fitarainana maro avy amin’ireo tompon’anandraikitry ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, mikasika ny vaksinin’omby. Miteraka olana maro eo amin’ity seha-pihariana iray ity izany, ka amin’ny maha Mpiahy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, dia namory ireo Ben’ny tanàna manerana ny Faritra maro ny Loholon’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, nidinika sy niady hevitra mba hikarohana vahaolana miaraka…

Mbola mijanona ho olana tsy mampanjary ny seha-pihariana omby eto Madagasikara ny resaka vaksinin’omby manerana ny Nosy, amin’izao fotoana. Anisan’izany ny taham-pamokarana sy ny tsy fahamarinan-toeran’ny vidiny eto an-toerana, ny tsy fahampian’ireo veterinera matihanina mpitety vohitra, ny ahiahian’ny mpiompy eo anatrehan’ny fihanaky ny fivarotam-baksiny, ary ny fitaterana sy ny fitehirizana vaksiny any amin’ireo toerana lavi-dalana sy ratsy lalana. Ireo no anisany olana misy amin’izao fotoana, ka antony nandraisan’ny Antenimierandoholona fanapahan-kevitra hikaroham-bahaolana miaraka amin’ireo mpisehatra eny ifotony, ka haroso eo anatrehan’ny fahefana Mpanatanteraka, finiavana sy notanterahiny, ary notarihan’ny Loholon’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, omaly, tetsy amin’ny Lapa maitson’ny Antenimierandoholona Anosy. Maro ireo fitarainana avy amin’ireo Ben’ny tanàna eto amin’ny Faritanin’Antananarivo mikasika ity seha-pihariana omby ity, no voarain’ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny fihaonany voalohany tamin’izy ireo ny Febroary lasa teo, amin’ny maha Loholona miahy ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana eto amin’ny Faritanin’Antananarivo azy. Fantatra tao anatin’izany, fa lafo ny vidim-baksiny miampy ny saram-panindronana. Tafakatra hatramin’ny 30 000 Ariary, ny dôzim-baksinin’omby iray any amin’ny kaominina lavitra. Eo ny olan’ny tsy fahampian’ny veterinera izay tsy maha marin-toerana ny vidim-baksiny sy ny saram-pitsindronana. Tsy maharaka ny fanaovana vaksiny any amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalana, noho ny tsy fahampian’ny fitaovam-pitaterana sy fitehirizana vaksiny. Mamoaka ny ahiahiny ireo mpiomby manoloana ny fiparitahan’ny vaksiny etsy sy eroa.

Nandroso vahaolana ho tari-kevitra…

Araka ny fanadihadiana dia afaka mamokatra dôzim-baksinin’omby hatramin’ny 20 tapitrisa isa eto an-toerana isika. Tsiahivina anefa, fa tsy namokatra sy nivarotra afa-tsy 06 tapitrisa dôzy isika, tamin’ny taona 2024. Izany anefa, dia nahitana taratra teo amin’ny fahambanian’ny fahefa-mividin’ireo mpiompy omby. Nametraka fanontaniana ho tari-kevitra enti-mandroso soso-kevitra ny Loholona tao anatin’izany, toy ny hoe “ampy ho an’ny isan’omby manerana ny faritra misy eto Madagasikara ve ny famokarana vaksiny eto amintsika? Ohatrinona ny vidin’ny vaksiny miainga avy amin’ny famokarana, ary iza no tokony hivarotra ny vaksiny hialàna amin’ny ahiahin’ny mpiompy? Manao ahoana ny isan’ny veterinera mpiasam-panjakana sy tsy miankina raha mihoatra ny habetsaky ny omby sy faritra misy omby tokony hosahanin’izy ireny? Azo eritreretina ve ny mety hahazakan’ny fahefa-mividin’ny mpiompy ny vaksiny, ary inona no azon’ny Fahefana mpanatanteraka horaisina manoloana izay olan’ny vaksinin’omby rehetra izay?”.

Fehin-kevitra azo eritreretina hivoaka

Na dia tsy mbola nisy aza, ny fehin-kevitra nivoaka tao anatin’ity fivoriana nakan-kevitra tamin’ireo Ben’ny tanàna maro ireo, dia azo heverina avy tamin’ireo tari-kevitra avy amin’ny olana voatanisan’ny maro tamin’ireo Ben’ny tanàna, fa azo atao ny mampiofana mpanao vaksinin’omby mitety tanàna, eo anatrehan’ny tsy fahampiana na tsy fahafahan’ny veterinera tompon’andraikitra. Tokony harahi-maso akaiky ny tsy fisian’ny fitoviam-bidy eo amin’ny vaksiny, ary izany dia mitaky fametrahana fitsipika mazava momba ny asan’ny veterinera eo amin’ny fanaraha-maso ny vidim-baksiny. Tokony hojeren’ny Fitondram-panjakana ny tsy fahampian’isan’ireo veterinera matihanina misahana faritra maro. Marihina, fa ity fivoriana notanterahin’ny Loholon’i Madagasikara ity, izay namoriany ireo Ben’ny tanàna sy tompon’andraiki-panjakana samihafa, dia natao handraisana soso-kevitra fotsiny ihany, haravina ka haroso ho Volavolan-dalàna afaka hanova amin’ny ampahany ny nisy teo aloha, ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny rehetra eo amin’ny lafiny fihariana omby. Andrasana moa ny Fehin-kevitra nivoaka tao anatin’ity fivorian’ny roa tonta ity, izay natrehan’ny solontenan’ireo Solombavambahoaka, Lehiben’ny distrika, solon-tena avy amin’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, Minisiteran’ny Atitany, Ivon-toerana misahana ny fitsaboana biby, ny tompon’andraikitry ny vaksinin’omby eto Madagasikara, ary ireo Ben’ny tanàna maro avy amin’ny Faritra Analamanga.

Stanislas R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer