PolitikaSongadim-baovao
FAMANTARANA NY MOMBAMOMBA NY OLOM-PIRENENA : Ho apetraka afaka fotoana vitsy ny « Identifiant unique »
Isan’ireo nisongadina tao anatin’ny dian’ny Filoha mivady tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony omaly ny fizarana Karinem-pokotany misy ny QR Code sy ny fitokanana birao tao amin’ny fokontany Ambatolahikisoa. Nandritra izany no nampahafantaran’ny Filoham-pirenena fa efa nahazo famatsiam-bola mitentina 140 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisampirenena ny hametrahana ny « identifiant unique » eto amintsika.
Vaovao lehibe nambaran’ny Filohan’ny Repoblika tao Fianarantsoa, omaly, ny hametrahan’i Madagasikara ny « identifiant unique ». « Miditra amin’ny fanatontoloana isika. Efa nitady manam-pahaizana manokana isika, ary efa nahita », hoy ny Filoha raha niresaka mahakasika an’io tetikasa io. Araka izany, ireo olom-pirenena rehetra dia hisy « reconnaissance faciale, digitale » hamantarana azy. Izany hoe, rehefa vita io tetikasa io dia fantatra hoe iza ny olona iray, ny mombamomba azy sy ny hoe efa meloka na tsy mbola, sy ny sisa. Araka ny fanazavan’ny Filoha, hanomboka afaka fotoana vitsy io tetikasa io, ary famatsiana ara-bola mitentina 140 tapitrisa dolara no omen’ny Banky iraisampirenena ao anatin’izany. Nohamafisin’ny Filoha fa hanamora ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny olom-pirenena eny anivon’ny fokontany ny fidirana amin’ny fampiasana teknolojia vaovao tahaka izany.
Karine misy QR Code 1 700 000 amin’ity taona ity
Etsy ankilany, nivoitra nandritra ny dian’ny Filoham-pirenena tao Fianarantsoa omaly, fa efa 500 000isa ankehitriny ireo karinem-pokontany misy ny code QR voazara manerana an’i Madagasikara. Vinantsika ny hahatongavana amin’ny fizarana karine 1 700 000 amin’ity taona 2023 ity, araka ny fanazavana. Mahatsara sy manamora ny fanisana olona izany ary manamora ny asa sosialy ataon’ny Fanjakana, araka ny angom-baovao. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny fanomezana birao sy fitaovana manarapenitra ireo fokontany manerana ny Nosy ka ny tao Fianarantsoa no nisantatra izany omaly. “Nandalo teto aho tsy nanana birao ianareo teo aloha. Nifindrafindra toerana foana. Nanolotra planina aho ary vita izany ankehitriny ka mendrika an’izao fotodrafitrasa ianareo. Tsy ho an’ny eto ihany fa ny fokontany eto Madagasikara rehetra dia omena fitaovana daholo, ao anatin’ny « digitalisation »”, hoy ny Filoha. Notsindriany fa zava-dehibe ny fidirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajimirindra raha tsy hilaza afatsy ny fahasahiranana hita tamin’ny fizarana ny fanampiana tamin’ny andron’ny Covid-19.
Amin’izao fotoana izao kosa, ny tokantrano rehetra manana adiresy , dia tokony hanana karinem-pokontany avokoa. Hametrahana rindram-baiko « e-fokontany » ny fokontany rehetra. Hofantarina avokoa ireo asa ary hofantarina ny mombamomba ireo asan’ny tsirairay ary ireo tokontrano rehetra dia tsy maintsy mahazo karine avokoa. Homena solosaina koa ny fokontany rehetra Fianarantsoa renivohitra. Ao anatin’io dia ahitana ny mombamomba ireo tokantrano rehetra. “Misy ihany koa ny vaovao tsara ho anareo filoham-pokontany. Rehefa mizara ilay karine ianareo dia misy sarany, 3000 ariray no hanomezanareo azy ho an’ireo tokantrano sahirana, 5000 ariary kosa ho an’ireo manan-katao, ianareo ihany no mahalala azy ireo”, hoy ny toromariky ny Filoha. Ny vola azo amin’ny karinem-pokontany kosa dia hahafahan’ny eo anivon’ny Fokontany manao asa soa.




