PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FAMATSIAM-BOLA AZON’I MADAGASIKARA: Hatomboka mialohan’ny faran’ny taona ny fanamboarana ny RN 10
Nitondra ny akon’ny dian’ny Delegasiona malagasy tany Washington ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly. Marolafy ny fanampiana azon’i Madagasikara hanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana eto amin’ny firenena, ary koa, hahafahana manarina indray ny firenena taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza efatra nifanesy. Nitsotra ny Filoha fa matoky tanteraka ny fitantanana misy eto Madagasikara ankehitriny ireo mpiara-miombona antoka vahiny.
Vola mitentina 949 tapitrisa dolara no fitambaran’ny vola azontsika avy tamin’ny Banky iraisampirenana, nandritra ny dian’ny delegasiona malagasy, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, ny herinandro teo, tany Washington. Tafiditra ao anatin’izany ilay famatsiam-bola 534 tapitrisa dolara, izay natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fiahiana ara-tsosialy ny 134 tapitrisa dolara, raha toa ka hiompana amin’ny fanamboaran-dalana ny hampiasana ny 400 tapitrisa dolara. Ny 50% amin’io famatsiambola io dia vola tsy averina, ary indramina kosa ny 50%.
Isan’ireo ho amboarina ao anatin’io famatsiam-bola io ny lalam-pirenena fahafolo (RN 10), izay ho atao tara manontolo, miainga eo ambovombe, Tsihombe, beloha, mandalo ampanihy, Ejeda, Betioky, ary hatrany Andranovory, mitohy hatrany Toliara. Araka ny fanazavan’ny Filoha, tamin’ny volana Oktobra sy novambra 2021 no efa tafapetraka tao amin’ny Banky iraisampirenena ny fangatahana famatsiambola ho an’ity tetikasa ity. Tamin’izany ihany dia efa nahazo fankatoavana ny fangatahana, ary efa natomboka ny fanaovana fanadihadiana ny tetikasa. Ho vita afaka efa-bolana io “etude” io, araka ny fanazavan’ny Filoha. Aorian’izay dia handeha ny fanaovana tolo-bidy amin’ny fanatanterahana ny asa, izay hanomboka mialohan’ny faran’ity taona ity.
Lalam-pirenena faha-13 (RN 13)
Ankoatra izay, nanisy resaka manokana momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 (RN 13) ihany koa ny Filohan’ny Repoblika. Nambarany fa ny Vondrona eoropeanina no tokony hamatsy vola io tetikasa goavana io. Tsy mbola miainga anefa io tetikasa io noho ny fanadihadiana izay mbola ataon’ny Banky iraisampirenena amin’ilay orinasa lehibe nahazo ny tsenan’asa, hanao ny asa. Mbola mihantona eo aloha izany ny raharaha. Raha ny fantatra kosa anefa dia amin’ity herinandro ity no hanome valinteny ho an’ny Fanjakana malagasy ny Vondrona Eoropeanina mahakasika ny firosoana amin’ny tetikasa. Na izany aza, hisy ampahany ho amboarina avy hatrany, tsy miandry ny famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola fa miainga amin’ny volan’ny Fanjakana malagasy madiodio. Ny lalana eo anelanelan’Ihosy sy Betroka no ho atao amin’izany. Ho ampidirina ao anaty fandaharanasa hafa kosa ny eo anelanelan’i Betroka sy Ambovombe.
Fanampiana samihafa
Tetsy ankilany, nisongadina tao amin’ny tatitra nataon’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny mahakasika ilay 415 tapitrisa dolara azo avy amin’ny Banky iraisampirenena ihany, izay hanatanterahana ny drafitra nasionaly fanarenana. Notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina fa zava-dehibe ny fahazoana io fanampiana io, taorian’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19 nandritra ny roa taona, sy ireo rivodoza efatra nifanesy teto amin’ny firenena, izay namela takatra maro samihafa. Tsy latsa-danja tamin’ireo ihany koa ny tohana avy amin’ny Usaid izay mitentina 13,9 tapitrisa dolara hanantanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny tontolo iainana, sy 11,2 tapitrisa dolara hanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina.
Teo anatrehan’ireo rehetra ireo, tsy nihambahamba ny Filoha nilaza fa nahafam-po ny dia izay natao tany Washington. Mipetraka sy mafy orina ny fifandraisana eo amin’ny Madagasikara sy ireo Mpiara-miombona antoka. Ny tenany izay niantso firaisampo sy firaisantsaina eo amin’ny samy Malagasy. “Miantso aho mba tsy isika malagasy no ifamingana sy ifampisompatra amin’ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka. Manainga ny rehetra aho, mba handray ny andraikitra ifantoka amin’ny asa fampandrosoana”, hoy hatrany ny Filoha.




