Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO : Havaozina tanteraka ny « station de pompage » ao Mandroseza I

Ny taona 1990 no efa nanao antso avo ireo teknisianina teo anivon’ny Orinasa Jirama ho an’ny Mpitondra tamin’izany fotoana ny tokony hanavaozana tanteraka ireo fotodrafitrasa famatsian-dRano eto Antananarivo. 30 Taona mahery izay no lasa, fa tsy nisy mpitondra nanana ny vina hanavao ireo fotodrafitrasa ireo, afatsy ny Filoha Rajoelina, tonga teo amin’ny fitantanana ny firenena nanomboka ny 2019. Tamin’izany no efa nanomboka fanadihadiana. Ankehitriny kosa dia hiroso tanteraka amin’ny asa fanavaozana ny ekipa.

Havaozina tanteraka ny « station de pompage » ao Mandroseza I izay mamatsy ny 60% ny rano ilain’ny mponina’Antananarivo. Hitombo 120.000m³ ny famokarana ao Mandroseza I raha toa ka 80.000m³ izany ankehitriny. Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAAEP izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Anatin’ny tetikasa izay natomboka omaly ihany koa ny fanampiana ny « pompe » ao Mandroseza II, sy ny fametrahana « Unité compacte de traitement d’eau » mamokatra 20.000m³ isan’andro. Ankoatra ireo dia nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa hatomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny « station de pompage » vaovao izay ho apetraka ao Amoronankona. Ireo fotodrafitrasa ireo dia anisan’ireo vahaolana lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana entina amenoana ny banga amin’ny famokarana rano ho an’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina

Notanterahina omaly tao Mandroseza ny fametrahana vato fototra amin’ny tetikasa fanavaozana ny tobim-pamokarana rano fisotro madio. Nanome voninahitra izany lanonana izany ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Andriamatoa Andry Rajoelina, niaraka tamin’Andriamatoa Andrianamelasoa Lalaina, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ireo olomanan-kaja ary tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Tanjona amin’ity asa ity moa ny hanome rano fisotro madio ho an’ny mponina, hiaro ny fahasalamam-bahoaka ary hanamafy ny fototra iankinan’ny fampandrosoana eto an-drenivohitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer