
SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMATSIAN-DRANO: Vita ny fanoloana fantsona tetsy Nanisana
Raha efa ela nijaliana teo amin'ny famatsian-drano ny teto Antananarivo afovoany sy tao Avaradrano, dia tontosa ny fanoloana ireo fantsona tranainy rehetra, tetsy amin'ny Rocade Nanisana. Misitraka famatsian-drano ara-dalàna ny mponina.

Tohin’ny tetikasa fanavaozana sy fanoloana ireo fantsona mpamatsy rano eto an-dRenivohitra, izay tanterahin’ny orinasa Jirama, anisany nisitraka azy io ny ao amin’ny faritr’Antananarivo afovoany sy Avaradrano, tamin’ny alalan’ny fanoloana ireo fantsona efa antitra. Vita omaly ny asa, raha ny fantatra. Mba hahatomombana ny famatsian-drano amin’ireo faritra voalaza ireo, taorian’ilay asa fanamboarana ny « Rond-point » Rocade Nanisana, nisy ny fanavaozana ireo fantsona rehetra efa tsy mahatosika rano intsony, izay nahatonga olana teo amin’ny famatsiana teo aloha. Rehefa nanomboka andro vitsivitsy lasa ny asa teny an-toerana, dia fantatra fa vita tanteraka ny fanavaozana, ary hizotra tsara ny famatsian-drano. Anisany tafiditra tamin’ity tetikasa ity koa fanadiovana ireo fantsona, izay fantatra fa antoka iray tsy hisian’ny olana amin’ny famatsiana io. Nambaran’ny Tale teknika misahana ny famatsian-drano eto Antananarivo, Rakotonandraina Solofo, fa anisan’ireo goavana tamin’ny fanavaozana ity natao teny an-toerana ity, noho ireo fantsona rehetra mandalo ao ambanin’io Rocade io. « Taorian’ny fanamboaran-dalana natao vao tsy ela io, vaky ireo fantsona efa antitra, ka tsy maintsy navaozina noho ny tosika mafy avy eny Mandroseza sy Nanisana », nanampy fanazavana ny Tale teknika. Fantatra fa eo amin’ny 800 metatra toratelo eo ny fatra entin’ireo fantsona mampita rano ao Avaradrano, no izao nirosoana tamin’ny fanavaozana natao izao. Efa nanomboka omaly hariva ihany ny famantsian-drano, raha ny fantatra.



