
Songadim-baovaoToekarena
FAMATSIANA ENY AMIN’IREO TSENA LEHIBE: Harahi-maso isan’andro ny vidim-bary
Tafakatra hatramin’ny 4 000ariary ny kilaon’ny vary Makalioka eny an-tsena. Ny vanim-potoan’ny maitso ahitra sy ny vanin’andro fety no ambara fa antony mandrisika io fiakaram-bidy io. Fepetra raisin’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ny fanarahi-maso isan’andro ny vidim-bary eny amin’ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra.
Mampikaikaika ny rehetra ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena ankehitriny. Nahitana fiakarany tsikelikely mantsy ny vidin’io foto-tsakafontsika Malagasy io hatramin’ny nidirana tato anatin’ny volana desambra. Misongadinana kokoa ny fiakarana any amin’ireo vary vokatra avy eto an-toerana toa ny Makalioka. Samy manao izay vidim-bary mahamety azy ireo mpivarotra, na eny amin’ny mpamongady na eny amin’ireo tsenakely isan-tanàna.
“Efa ho isan’andro ny fiakaran’ny vidim-bary”, hoy ireo mpanjifa mitaraina. Ao anatin’ny elanelana andro vitsy tokoa mantsy dia ahitana fiakarany 50 ariary hatramin’ny 100ariary ny vidim-bary eny an-tsena. 3 700ariary, avy eo 3 900ariary ary vidiana amin’ny sarany tsy latsaky ny 4 000ariary ankehitriny ny kilaon’ny vary Makalioka. Vao iray volana lasa anefa izay dia 3 100ariary hatramin’ny 3 300ariary no nanjifana azy. Izany hoe tsy latsaky ny 1 000ariary ihany koa ny kapoakan’ny vary Makalioka eny an-tsena amin’izao fotoana. Mbola mihoatra io 4 000ariary io aza ny kilaon’ny vary “riz de luxe”. Ankilan’izay, mitaraina ny mpanjifa fa ratsy lanja ny vary vidina any amin’ireo tsena lehibe maromaro eto an-drenivohitra. Ankoatra ny eto Antananarivo, saika ahitana io fiakaran’ny vidim-bary io avokoa any amin’ireo tanàn-dehibe manerana ny Nosy. Nanaitra ny maro aza ny nahafantatra fa 1 000ariary ihany koa ankehitriny ny kapoakan’ny vary Makalioka any Ambatondrazaka. Ambatondrazaka anefa dia iray amin’ireo sompitr’i Madagasikara eo amin’ny lafiny famokaram-bary.
Maitso ahitra, fety…
Manoloana io zava-misy io, nanazava ny avy amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC) fa antony iray mampiakatra ny vidim-bary eny an-tsena ny vanim-potoan’ny maitso ahitra misy antsika amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny fisian’ny vaninandro fety izay matetika mampiakatra foana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mitombo kokoa mantsy ny filàn’ny mpanjifa rehefa amin’ny andro fety. Araka ny lalàn’ny varotra sy ny tinady, rehefa ambony kokoa ny filàna mitaha amin’ny tolotra misy dia misy fiantraikany avy hatrany any amin’ny fiakaram-bidy izany.
“Miezaka ny avy eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra amin’ny alalan’ireo mpanara-maso ara-barotra manaraka akaiky ny vidin’entana eny an-tsena sy ny famatsiana isam-paritra”, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministera. Fepetra raisin’izy ireo, araka izany, ny fanarahi-maso isan’andro ny vidim-bary eny an-tsena ka hanatanteraka fidinana ifotony isan’andro ihany koa ireo mpanara-maso ara-barotra. Tamin’ny talata lasa teo dia nanatanterahana izay fanaraha-maso ny vidim-bary izay ny teny amin’ny tsenan’Anosibe, tsena lehibe mpamatsy ny ankamaroan’ireo faritra eto Antananarivo. Nitarika io fidinana io ny Tale misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa Rakotonirina Dina, sy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra Fanomezantsoa Natolotriniaina Herizo. «Tokony hajain’ireo mpivarotra ny tombony ara-drariny sy hisian’ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy Malagasy mba tsy hisian’ny fanararaotana», hoy ireo tompon’andraikitra. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa mba hisorohana ny fidangan’ny fandaniana isan-tokantrano dia manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary hita eny amin’ny tsenan’Anosibe izay ambany kokoa ny vidiny. Ny vary Stock nafarana, ohatra, dia 2 600ariary ny iray kilao. Ny vary Semance sy ny vary gasy mavokely kosa dia 3 160 AR ny iray kilao. Malalaka ny safidin’ny mpanjifa araka ny fahefa-mividiny. Nanentana ireo mpandraharaha ihany koa amin’ny fanafarana vary mora mba hanampy ny filàna eto an-toerana ireo tompon’andraikitra.
Inona marina no atao hoe “maitso ahitra”?
Voambolana fampiasa eny anivon’ny fiarahamonina ny hoe “maitso ahitra”. Vanim-potoana ampiasana matetika io teny io ny amin’ny fotoam-pahavaratra sy amin’ny fiandohan’ny taona. Miainga amin’ny fanazavan’ny mpandalina momba ny teny, entina hamaratina vanim-potoana iray ny hoe “maitso ahitra”. Izany hoe fotoana tsy mbola fiakaran’ny vokatra sy mbola maha maitso ny vokatra eny an-tsaha. Amin’io vanim-potoana io ihany koa no ahafahana hanombohana ny asa rehetra eny an-tanimboly amin’ny ankapobeny. Eo, araka izany, no manomboka ny asa rehetra eny an-tsaha satria manararaotra ny fiavian’ny orana ireo mpamboly. Ankoatra io, manamarika ny “maitso ahitra” ihany koa ny vanim-potoana aorian’ny lohataona isaky ny volana septambra. Aorian’ny lohataona, noho izany, no miditra ny “maitso ahitra” ka tsy misy vokatra mbola azo hotazana amin’io fotoana io fa mbola vao andalam-piasana avokoa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fambolena.
Ankilan’izay, misy amin’ireo mpahay tantara no nanazava fa tsy tongatonga ho azy io fomba fiteny io fa misy dikany sy misy nipoirany. Fomba fiteny teraka nandritra ny fotoana fihavian’ny orana tsy ankihato mandritra ny herinandro (ilay fito) amin’ny fahavaratra izy io ka mitoetra miaraka amin’izany ihany koa ny “maitso ahitra”. Fotoana anisany manahirana indrindra ireo tantsaha satria ny vary tamin’ny vokatra teo aloha efa lany ary ny vokatra vaovao mbola tsy misy. Na misy amin’ireo vary aloha aza no efa tafiakatra an-tanety dia sarotra ny hanapy azy amin’io fotoan’ny “maitso ahitra” io satria avy matetika ny orana. Izany no heverina nahatonga ilay fitenenana hoa “tsy kitay tsy vary maina anaty fotoana maitso ahitra”. Mandritra izao fotoan’ny maitso ahitra izao, araka izany, lasa fahazarana ho an’ireo tantsaha sy mpivarotra ny nampiakatra vidim-bokatra. Voakasika manokana amin’izany ireo vary sy legioma.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.



