Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIANA NY TSENA ANATINY: Vary 140 000 Taonina haparitaka manerana an’i Madagasikara

Vahaolana aroson’ny Fanjakana manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary avy eto an-toerana ankehitriny, ny fanaparitahana ireo vary nafarana avy any ivelany, izay mirary kokoa ny vidiny. Hatreto, manodidina ny 140 000 Taonina ny tahiry ananan’i Madagasikara amin’ireo vary nafarana ireo, araka ny fanambarana avy amin’ny Minisitera misahana ny varotra sy ny fanjifana.

Tsy nisy tsy nikaikaika nanoloana ny fiakaran’ny vidim-bary teny an-tsena ny mpanjifa nanomboka ny herinandro lasa teo, indrindra ho an’ny teto Antananarivo renivohitra. Ny vanim-potoan’ny maitso ahitra izay lalovan’i Madagasikara ankehitriny no mahatonga izany, araka ny fanazavan’ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC), Andry Randriamiaramahefa. Notsindriany fa raha ho antsika eto Madagasikara dia any amin’ny volana novambra sy desambra no fanombohan’ny maitso ahitra. Izany hoe, ao anatin’ny fikarakarana ny tanimbariny tanteraka ny tantsaha, ka tsy maintsy misy ny fampiasana masomboly amin’izany asa atao izany. Mihena, noho izany, na ny tahiry ananan’ny tantsaha aza, rehefa vanim-potoanan’ny maitso ahitra tahaka izao. Izany indrindra no miteraka ny fihenan’ny tolotra amin’ny vary vokatra eto an-toerana eny anivon’ny tsena mahazatra, raha ny fanazavana hatrany.

“Mazava anefa ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady: Rehefa tsy maharaka amin’ny famaliana ny filàna ny tolotra eny anivon’ny tsena dia miakatra ho azy ny vidin’ny vokatra”, hoy ny fanazavana avy amin’ny MICC. Ankoatra izay, tsy vitsy ireo lalana fakana ny vokatra miakatra eto Antananarivo no simba sy potika noho ny fiavian’ny orana. Mahatonga fiakaran’ny saram-pitaterana ny vokatra anefa izany, ka mampiakatra ny vidim-bary avy eto an-toerana ihany koa. Raha tamin’ny fidinana ifotony farany nataon’ny Minisitera, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe, dia efa tafakatra 3000 Ar ny kilaon’ny vary avy eto an-toerana.

Manoloana izay fiakaran’ny vidim-bary eto an-toerana izay, dia tsy mijery fotsiny ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisitera misahana Varotra sy ny Fanjifana, fa mitady ny vahaolana hahafaha-miatrika izany. “Efa nijery mialoha ny MICC tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ireo mpandraharaha mpanafatra vary any ivelany, mba hamenoana an’izay banga izay, amin’izao vanimpotoan’ny orana izao”, araka ny fanazavan’ny DPC. Amin’izao fotoana izao, araka ny fampahafantarana, ny tahiry eto Madagasikara dia tsy misy ahina, ary mbola afaka mamatsy tsara ny tsena anatiny. “Manana tahiry 140 000 taonina isika izao, izay ho aparitaka manerana ny tsena eran’ny Nosy, indrindra eto Antananarivo”, hoy hatrany io tomponandraikitra eo anivon’ny MICC io. .

Etsy ankilany, hamafisina hatrany koa ny fanarahamaso ireo trangana fanararaotana ataon’ny sasany. Nampitandrina ny MICC fa fepetra hentitra no tsy maintsy horaisina ho an’izay tratra manao izany.

Fermer