Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIANA RANO ETO AN-DRENIVOHITRA: Hanomboka ny zoma izao ny asa fanarenana tanteraka ireo fotodrafitrasa

Natao ho an’olona miisa 300 000 ny fotodrafitrasa momba ny rano eto Antananarivo Renivohitra, izay napetraka efa ampolotaonany maro. Ankehitriny, efa manodidina ny 5 000 000 ny mponina mitoetra sy mifamezivezy eto Antananarivo. Tsy nisy fanavaozana mihitsy anefa tamin’ny ankapobeny ireo fotodrafitrasa ka anatin’ny lojikany tanteraka raha tsy maharaka intsony ny famatsiana rano ho an’ny mponina. Ny milina etsy Mandroseza koa, etsy ankilany, manodidina ny 200 tapitrisa m3 ihany ny famokarana, kanefa ny filàna ho an’ny mponin’Antananarivo dia tafakatra hatramin’ny 300 tapitrisa m3 isan’andro. Izany hoe, misy tsy fahampiana rano 100 tapitrisa m3 isan’andro eto Antananarivo.

Eo anoloan’izany, fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny hanavaozana tanteraka ny fotodrafitrasa momba ny rano eto Antananarivo. Efa taona vitsivitsy no nanatanterahana ny fandinihana ny tetikasa sy ny fanadihadiana samihafa, ka hatomboka amin’ny zoma ho avy izao, araka izany, ny asa fanarenana tanteraka ny loharanon-drano eto an-dRenivohitra. Nambaran’ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana , Lalaina Andrianamelasoa, fa henjakenjana ny asa miandry amin’ny fanatanterahana ity tetikasa goavana ity, satria raha ny fanadihadiana natao dia misy amin’ireo fantsona hosoloina no efa any ambany tranon’olona. Tsy maintsy mila ampahafantarina sy ifampiraharahana amin’ny olona voakasika, noho izany, ny fanatanterahana ny asa.

Herinandro momba ny Rano

Notontosaina teo amin’ny kianja Barea Mahamasina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Herinandro Nasionaly momba ny Rano andiany voalohany.

Nanome voninahitra ity lanonam-panokafana ity Andriamatoa Andrianamelasoa Lalaina, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notronin’ireo solontenan’ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta, olom-boatendry sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ary ireo tompon’andraikitra maro samihafa mpisehatra amin’ny Rano.

Nandritry ny fandraisam-pitenenan’Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana no nanamafisany fa “ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra raha te hahita vokatra maharitra sy azo tsapain-tanana amin’ny sehatry ny rano.” Anisan’ny fanamby lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana moa ny fanarenana tanteraka ny loharanon-drano eto an-dRenivohitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer