Songadim-baovaoSosialy

FAMATSIANA VARY ETO AN-DRENIVOHITRA: Tsy misy ahina, ampy ny tahiry

Tsy misy hifandraisany velively amin’ny famatsiana vary eto an-drenivohitra sy manerana ny Nosy ny fisiana tranga mifandraika tamin’ny vary simba niseho tany Mahajanga tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy misy ny ahiana, ary ampy ny tahirim-bary eto amintsika, hoy ny avy eo anivon’ny Ministera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana, na dia tafiditra ao anatin’ny fotoan’ny maitso ahitra aza isika amin’izao fotoana. Mameno ny tsena ireo karazam-bary vokarina avy eto an-toerana.

Mipetraka ny ahiahian’ny maro ny amin’ny mety hisian’ny tsy fahampiana famatsiana vary eto Madagasikara manoloana ny tranga niseho tany Mahajanga tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha tsiahivina, vary simba 50 kaontenera no tra-tehaka, voalaza fa hatao fanadiovana tao amin’ny toerana lehibe iray fanatobiana entana any amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny tamin’ny sabotsy lasa teo. Amin’ny gony mavo ireo vary simba ireo ary navadika tamin’ny gony fotsy vaovao izany rehefa voadio.
Nanao ny asany avy hatrany ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana niaraka tamin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa any an-toerana taorian’ny fiparitahan’io vaovao io. Notsiahivin’i Lambo Mbolanirina Nadia izay talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana any Mahajanga fa anjara asan’izy ireo ny fiahiana ny mpanjifa. Nisy, araka izany, ny fidinana ifotony natao ka nivoitra tamin’izany fa mbola tsy miparitaka ary tsy ahitana ireo vary simba ireo ao Mahajanga sy amin’ny toeran-kafa. Nohazavain’ny tompon’andraikitra hatrany fa tsy mbola nisy ny fanomezan-dalana hanetsehana ireo vary simba ireo ao an-toerana fa ny dingana amin’ny fanodidinana azy ho lasa zezika sy sakafom-biby no nahazoana halalana ka natao nanomboka tamin’ny 20 desambra lasa teo. “Manoloana ny ahiahy izay mety misy amin’ny vahoaka sy ny mpanjifa dia tsara ny manamarika fa mbola tsy misy nivoaka any an-tsena ireo entana ireo, ary mbola tsy nivoaka ny toeram-pitahirizana. Raha misy famoahana izany dia tsy maintsy misy fanomezan-dalana izay avoakan’ny Ministera foibe kanefa mbola tsy nisy izany hatreto. Tokony ho tony hatrany, noho izany, ny mpanjifa”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Fanapahan-kevitra noraisina aloha hatreto ny fampitsaharana nanomboka omaly ny fanodinana ireo vary ho lasa zezika ary nosavaina avokoa ireo fiarabe. Tsy marina, araka izany, ny filazana fa diovina ao ireo vary ireo ka haverina hamidy eny an-tsena indray.

Manolona izany tranga izany, manazava ny sain’ny mpanjifa ihany koa ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana foibe. Nisy omaly ny fidinana ifotony nanaovana fisafoana teny Mahitsy momba ny tahirim-bary vokatra eto an-toerana. Nitarika izany fidinana izany ny Talen’ny Varotra Anatiny ao amin’ny Ministera. Rehefa izany, nambaran’ny tompon’andraikitra fa misy ny vary ka “tsy tokony hanana ahiahy ny mpanjifa. Amin’ny ankapobeny dia misy ny vary na dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny maitso ahitra aza isika izao”. Ankoatra ireo, hita eny an-tsena avokoa ireo vary amin’ny karazany maro vokarina avy eto an-toerana. Isan’izany ny vary Semence, Tsipala, Diste, vary gasy mena, vary gasy Manalalondo, ary ny vary Makalioka. Samy manana ny vidiny ireo vary eny an-tsena ireo amin’izao fotoana. Manodidina ny 1 700ariary ny kilaon’ny vary akotry, ary 2 600ariary ny vary fotsy. Manatombo kokoa ny vary gasy mena avy any Manalalondo satria noho ny faharatsian’ny lalana mandritra izao vanim-potoan’ny orana izao dia miakatra ny saram-pitaterana. Tsy tokony anana ahiahy ny amin’ny famatsiana vary, araka izany, ny mpanjifa.

Sarobidy Sidonie.

Fermer