Songadim-baovaoSosialyToekarena

FAMBOLEN-KAZO 2022 – MMRS : Zana-kazo kininina Oliva sy Acacia manodidina ny 5.000 isa novolena tao Tsinjony

Mandray anjara feno amin’ny fanatrarana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena ho hamerenana ho Nosy maitso an’i Madagasikara ny Minisitera’ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Ny Zoma 18 Febroary 2022 lasa teo, notontosaina tany Ampangabe ny hetsika fambolen-kazo nokarakarain’ity Ministera ity sy ny OMNIS. Zana-kazo kininina Oliva sy Acacia manodidina ny 5.000 isa no novolena tao amin’ny Fokontany Tsinjony Ampangabe, tamin’ny velaran-tany 2 hektara an’ny OMNIS. Efa hatramin’ny taona 1986 no efa nanajary ny teny an-toerana nanaovana fambolen-kazo ny OMNIS ka velarana 31,5 ha no efa rakotra hatramin’izay, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana an’ny OMNIS.

Naneho fiombonana ny hetsika satria ankoatra ny fianakaviamben’ny Ministera sy ireo mpiara-miasa avy amin’ny ratsamangaikany, nahitana ny fandraisana anjaran’ny solontena avy amin’ireo mpiara-miombona antoka mpandraharaha amin’ny fikarohana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy solitany, nisy ihany koa avy amin’ny federasionan’ny mpitrandraka Sehatra asa mandray anjara feno amin’ny fanarenana ny tontolo iainana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, hoy ny Tale Kabinetra izay nisolo tena ny Praiminisitra Ntsay Christian, sady Minisitra mitantana vonjimaika ity departementa ity. Nanentana ny tsirairay izy hiombona hanatanteraka izany fambolen-kazo izany hametrahana zava-tsoa ho an’ny Firenena sy ho tontolo maitso mavana hovantanin’ny taranaka fara mandimby.

Fermer