Songadim-baovaoToekarena

FAMBOLENA, ANGOVO, FIFANDRAISAN-DAVITRA : Nanome 600 Tapitrisa dolara an’i Madagasikara ny Banky Iraisampirenena

Tetikasa roa lehibe mahakasika ny sehatry ny fambolena sy angovo ary Fifandraisan-davitra no nahazo famatsiam-bola mitentina 600 Tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisampirenena, araka ny fankatoavan’ny Filankevi-pitantanany, ny 30 Marsa 2023 teo. Voalohany amin’izany ny Tetikasa Fifandraisana ara-nomerika sy ara-angovo tsy manavaka eto Madagasikara na “Connectivité numérique et énergétique pour l’inclusion à Madagascar” (DECIM) izay mitentina 400 tapitrisa dolara. Hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fahazoana angovo io tetikasa io. Izany hoe raha toa ka 33,7% ny tahan’ny fisitrahana angovo eto Madagasikara ankehitriny, dia vinavinaina hiakatra 67% izany.

Araka ny fanazavana, ny tetikasa DECIM dia hanampy ny firenena amin’ny fanitarana ny fahazoana angovo azo havaozina sy ny fahazoana tolotra ara-kajimirindra izay mifantoka amin’ny faritra tsy misitraka tanteraka izany. Olombelona miisa 10 tapitrisa farafakeliny no hisitraka izany tetikasa izany, izay ahitana tokantrano 2 tapitrisa sy fokontany 150 hahazo jiro, mpisitraka vaovao miisa 3 400 000 hampiasa ny aterineto. Fanampin’izay, manodidina ny 2 000 kosa ireo toeram-pitsaboana sy sekoly no hisitraka taham-pahazoana angovo azo havaozina sy fifandraisana ara-nomerika tsara kokoa. « Laharam-pahamehana tsy azo ihodivirana ho an’ny Governemanta ny fahazoana angovo sy ny fifandraisan-davitra. Ity tetikasa ity dia tafiditra tanteraka amin’ny vinam-pampandrosoana ho an’i Madagasikara. Hitombo be ny fisitrahan’ny rehetra angovo sy tolotra ara-kajimirindra. Ary mankasitraka ny Banky iraisam-pirenena isika tamin’ny fanehoany hatrany ny fahavononany ho hanohana ny fiatrehantsika ireo fanamby maro napetraka” hoy ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina.

Famokarana asa fivelomana

Ny faharoa kosa dia ny tetikasa mahakasika ny Famokarana asa fivelomana eo amin’ny tontolo ambanivohitra, sy ny faharetan’izany asa izany na “Productivité et de résilience des moyens de subsistance en milieu rural”, izay mitentina 200 tapitrisa dolara. Io tetikasa io kosa, izay mahakasika ny faritra nasionaly mpamokatra ara-tsakafo : Alaotra-Mangoro sy Sofia, dia hanohana ny famerenana amin’ny laoniny ny lalandrano tarihin’ny fiaraha-monina, ny fanarenana sy fanatsarana ny fitantanana ny fotodrafitrasa sy fitarihan-drano, ny fanamafisana maharitra ny fambolena sy ny fanamafisana ny “chaînes de valeur agroalimentaires prioritaires”. Amin’ny ankapobeny, ny tetikasa dia hahakasika tokantrano 150 000, anisan’izany ny tantsaha 165 000 izay hisitraka fanofanana momba ny fambolena mifanaraka amin’ny toetrandro sy ny fombam-pambolena manaja ny tontolo iainana. Hamatsy vola ny fanarenana faritra voatondraka 30 000 ha ihany koa ity tetikasa ity, sy lalandrano 30 000 ha ary lalana ambanivohitra 150 km hanatsarana ny fidirana amin’ny tsena. Ankoatra izay dia hanamora ny fampiasam-bolan’ny tantsaha amin’ny fanondrahana mitsitsy rano sy ny fitantanana ny tontolo iainana maharitra amin’ny velaran-tany 61.000 ha.

Fermer