PolitikaSongadim-baovao

FAMERENANA IREO NOSY MALAGASY : Tsy mbola miova amin’ny fitakiany i Madagasikara

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny minisitra Rasata Rafaravavitafika, omaly maraina. Ankoatra ireo jery todika momba ireo hetsika ara-diplomatika roa lehibe. Nasongadiny fa mbola tsy miova amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy, ny ezaka tanterahin’i Madagasikara, taorian’ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana momba ireo Nosy malagasy…

Nahitsy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, omaly, fa « ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia nangataka ireo Nosy Malagasy ireo tamin’ny Filoha frantsay, ny taona 2019 ». Ny taona 2019 koa isika, dia niroso tamin’ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana momba ireo Nosy malagasy, izay idirana amin’ny fifampiresahana eo amin’ny Firenena frantsay. Nitondran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika fanazavana misimisy kokoa, fa ny ankolafy roa tonta dia nanaiky, fa io no lalana ifampiresahana, izay efa misy rafitra mipetraka. Nisy, araka izany,  ny dingana voalohany teo amin’izay fifampiresahana izay, ary amin’ity taona ity, hisy ny fifampidinihina, ny 30 jona ny andiany faharoa, ao anatin’ny fifampidinihina. Manambara, araka izany, fa matotra ary mifanaraka fomba fijery ny governemanta malagasy ny dingana tanterahina. Tiana ny mampahafantatra, niara-naneho ny fahavononany ny filoha roa tonta itadiavam-bahaolana haingana sy maharitra ho an’ireo Nosy ireo. Raha ny ezaka nataon’i Madagasikara, tena nihazakazaka tokoa, ny fijerena io lafiny io. Tao anatin’ny 5 taona monja, dia nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo Vaomiera roa tonta, izay mitohy, ary tsy misy fahatapahana ny fitakiana ireo Nosy malagasy. Tsy maintsy misy ny fanapahana ireo delegasiona hiditra ao anatin’io Vaomiera iombonana handinihina momba ireo Nosy malagasy misandrahaka ireo.

Nanteriny fa i Madagasikara dia tsy mbola miova velively ny fitakiana ny Nosy Malagasy izany. Mbola tsy nisy rafitra amin’ny fomba ofisialy nanehoan’ny governemanta malagasy fa tsy hitaky intsony ny Nosy Malagasy i Madagasikara. Ny rafitra mandinika izany dia ny vaomiera iombonan’ny roa tonta. Ao anatin’izany isika no mitaky ireo Nosy ireo. Efa mipetraka ny rafitra ary ao anatin’ny rafitra no mifandinika izany.

Tsy nisy fifanarahana momba ireo singa mineraly stratejika…

Ankoatra ireo Nosy malagasy, mahakasika ireo singa mineraly stratejika, naneho ny firenena frantsay, fa liana amin’ilay « terres rares ». Nasongadin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, omaly, fa tsy nisy fifanarahana fiaraha-miasa, momba ireo singa mineraly stratejika eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Tsy niolaka izy nanambara fa tsy nisy fifampiresahana teo amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron. Ny fanehoana sy ny filazana fa mahaliana azy ireo ny singa mineraly stratejika, tsy midika fa nisy fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer