SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FAMERENANA NY FANDRIAMPAHALEMANA :Zava-dehibe ny fifamenoan’ny mpitandro filaminana rehetra
Fitoniana sy fandriampahalemana. Io no velirano voalohan’ny Filoha Andry Rajoelina ao anatin’ny paikady hampandrosoana an’I Madagasikara. Efa maro ny ezaka vitan’ny Fanjakana ankehitriny hahatrarana izany, tao anatin’ny roa taona latsaka. Omaly, nilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian fa zava-dehibe ny fifamenoan’ny samy mpitandro filaminana mba hametrahana fandriampahalemana maharitra eto amin’ny tany sy ny firenena.
Mbola maro eto amintsika no tsy mahalala ny asa sahanin’ireo sokajina mpitandro filaminana misy eto amintsika, toy ny polisim-pirenena izay natao hisehatra betsaka amin’ny tontolo andrenivohitra, ny zandary izay manenika an’I Madagasikara ary misehatra amin’ny toerana rehetra, ary farany ny tafika na ny miaramila izay manana andraikitra amin’ny fihazonana ny fiandrianam-pirenena. Ilaina anefa ny fifamenoana ireo amin’ireo rafitra telo ireo mba hahafeno ny asa fampandriana fahalemanana eto amintsika. Omaly, namarana ny fihaonambe izay naharitra roa andro, anaovana tatitra ankapobeny ho an’ny taona 2020, teny Ambatomirahavavy, ny Tafika Malagasy, ka tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany fa raha atao jery todika ny tamin’ny roa taona lasa dia mbola nanjaka ny asan-jiolahy maro isan-karazany sy ny tsy fandriampahalemana. Nanao dingana tamin’ny fampihavanana sy fifandraisana isika, hoy izy, ary namaritra paikady ny amin’ny fifamenoana eo amin’ny mpitandro ny filaminana rehetra, izay notanterahina tao anatin’ny fanajàna ny lalàna velona, ary dia niaraha-nahita ny fepetra nampiharina, toy ny fampandraisana andraikitra teo anivon’ny OMC, ny nametrahana ny “Zones Rurales Prioritaires de Sécurité” sy ny “Base Opérationnelle Avancée”, ny “patrouille militaire”, sy ny hafa koa. Notsindriany fa tsy tokony hisy ny mety ho fifaninanana eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana fa mba hampiseho taratra ny maha-zava-dehibe ny fifamenoana.
Tanjona efatra
Tafika manakaiky vahoaka no tanjona, hoy izy Praiminisitra. Araka izany, fanamby efatra no nambarany fa tokony ho tratrain’ny tafika malagasy ankehitriny. Voalohany amin’izany ny fiandrianam-pirenena, izay adidy masina iantsorohan’ny Tafika Malagasy eo amin’ny tanindrazana. Ny fanajàna ny rafitra sy ny andrim-panjakana misy hoy ny Praiminisitra, no ahafahana mitazona ny fiandrianam-pirenena. Ny faharoa dia ny anjara andraikitra eo amin’ny fametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Tanjona fahatelo kosa ny fiarovana ny fananana iombonana. Isan’izany ny zava-boahary sy ny fari-dranomasina. Tsy maintsy iombonana, hoy ny Praiminisitra, ny fitaovana izay eo am-pelantanana, ary mbola mila mametraka paikady isika hampanjariana ny filaminana sy fandriampahalemana an-dranomasina ka hahafahana manatsara ny fiarovana ny sisin-tany, izay adidy rahateo ifamenoana amin’ireo rehetra misehatra amin’izany lafiny izany. Nomarihiny fa manoloana izany anefa dia anjaran’ny Tafika Malagasy ny mametraka ny “Zone Maritime Prioritaire d’Intervention”. Tanjona fahaefatra, hoy ny Praiminisitra, dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanananany, ary ao anatin’ny ambana mila iomanana ny loza voajanahary sy ny aretina maro samihafa.




