KolontsainaSongadim-baovao

FAMERENANA NY HAREM-BAKOKA: Manangona ireo fanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony miparitaka ny Minisitera

Manao antso avo mahakasika ny fanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony tao amin'ny tranony tao Amboditsiry izay tsy hita nanomboka ny taona 2001 ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izay miandraikitra ny harem-bako-pirenena.

Araka ny didim-panjakana laharana faha 78-257 tamin’ny 04 septambra 1978 dia voasokajy ho Harembako-pirenena ny trano fonenan’ny Praiministra Rainilaiarivony Amboditsiry sy ireo fanaka rehetra nampiasainy tao, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina omaly. Araka ny fantatra dia noraisin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina an-tanana ny fanarenanana ny trano izay potika sy simba nandritra ny taona maro, ary vita tanteraka ny fanarenana azy ankehitriny.

Na izany aza anefa dia tsy hita avokoa ireo fanaka nampiasain’ny Praiministra Rainilaiarivony notehirizina tao amin’io trano fonenana io hatramin’ny taona 2001. Marihina fa ananan’ny Minisitera avokoa ny isa sy ny lisitr’ireo entana ireo, izay efa voasokajy ho harem-bakoka. « Koa iangaviana izay rehetra manana na mitahiry na mahita ny toerana misy ny fitaovana na fanaka izay tao amin’io trano fonenan’ny Praiministra Rainilaiarivony Amboditsiry io mba hifanome tanana amin’ny Minisitera amin’ny fanangonana ireo harem-bakoka ireo ka hanatona avy hatrany ny Fitaleavana ankapoben’ny Kolontsaina, Tranombokim-pirenena, Anosy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisitera.

Nametraka fanamby

Raha tsiahivina, ny taona 2019 no nametraka fanamby ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hanarina sy hanamboatra ireo fotodrafitrasa mirakitra ny tantara tsy hay hadinoina eto amin’ny Firenena, tafiditra ao anatin’izany ireo Mozea, Rova sy ireo toerana manan-tantara maro manerana ny Nosy. Ny volana septambara tamin’ny taon-dasa dia nisy ny fitsidihana ny tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony nataon’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Fotoana izay nijerena ny fivoaran’ny asa fanatsarana ny trano nipetrahan’ny Praiministra Rainilaiarivony etsy Amboditsiry. Ity toerana ity raha tsiahivina dia efa tafiditra ao anatin’ny lisitry ny vakom-pirenena nanomboka ny taona 1987. Amin’ny maha vako-pirenena azy, mipetraka ho fananan’ny Fanjakana ihany koa ny toerana sy ny fotodrafitrasa rehetra ao anatiny. Manana adidy lehibe, araka izany, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina nandray an-tanana ny fanatsarana ity vakoka ity. Nezahina ny namerina ny endriny ivelany sy anatiny nahafantarana ity vakoka ity hatramin’izay, hanajana ny fenitry ny fanarenana vakoka iray na ilay antsoina hoe  » Codes architecturaux originaux « .

Fermer