PolitikaSongadim-baovao
FAMERENANA NY HASIN’ANTANANARIVO: Inian’ny mpanohitra havadika resaka politika
Tsy misy afa-tsy ny famadihana ny zava-drehetra ho lasa fanankorotana saim-bahoaka sy ho fandranitana ara-politika sisa no paikadin’ny mpanohitra mba tsy hahatraran’ny mpitondra sy ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo ankehitriny ny tanjon’ny fampandrosoana tiana hapetraka eto amin’ny firenena. Vao tsy ela isika no naheno ny fisian’ilay “code municipal d’hygiène” izay ataon’ny sasany fitaovana politika indray, hanoherana ny ben’ny tanàna.
Isany niteraka resabe ary nahazoan’ny mpitantana ny tanàn’Antananarivo ankehitriny fanakianana mavaivay ny fisian’ilay fitsipi-pifehezana ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana na ilay antsoina hoe “code municipal d’hygiène” nivoaka farany teo. Betsaka ny andininy voalaza ao anatin’io, miaraka amin’ireo karazana sazy sy lamandy aloa raha sendra tsy fanarahan-dalàna. Tokana ihany anefa no tanjona, dia ny hirindran’ny fiarahamonina sy ny tsy hisian’ny gaboraraka eto amin’ny renivohitr’I Madagasikara. Ny ben’ny tanàna, Naina Andriatsitohaina, rahateo, na fony izy mbola kandida hirotsaka ho fidiana fotsiny ihany aza dia efa nilokaloka ny hamerina ny hasin’Antananarivo. Ankehitriny, efa tonga eo amin’ny toerana ny tenany, ary eo amin’ny toeran’ny mpanatanteraka rahateo. Fanatanterahana ny vina efa napetrany, noho izany, ny fametrahana ireny fitsipika maro isan-karazany misy ankehitriny ireny. Ary raha hapetraka ny sazy sy ny lamandy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna iray, dia ny mba hanarahan’ny rehetra ny fepetra mipetraka no tanjona, fa tsy hoe vao maika hanao izay zavatra voararan’ny lalàna indray ka mety hahazoana ny sazy. Fampanarahan-dalàna no tanjona, ary raha tsy te hiharan’ny sazy dia tokony hanaja ny fitsipika sy ny lalàna hapetraky ny mpitantana fotsiny ihany. Matetika ny olona sasany milaza fa liam-pandrosoana kanefa rehefa hapetraka ny fepetra rehetra hahatongavana amin’ny tena fampandrosoana, dia mahita hevitra hanoherana izany foana. Misy koa ireo minia mikipy fotsiny tsotra izao amin’ny finiavana tsara ananan’ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, satria mbola manjaka loatra ny fankahalana politika.
Tsy mahita antony hanoherana?
Isany andininy inian’ny mpanohitra, hanaovana fanakianana, sy lasa antony hanoherana ny ben’ny tanàna, ilay andininy faha-19, ao amin’ity “Code Municipal d’Hygiène” ity, manao hoe “ireo tompony sy mpiompy biby, indrindra ny alika dia tsy maintsy mandray ireo fepetra rehetra mba hisorohana ny fanelingelenana ny manodidina. Tsy maintsy manao ny fomba rehetra hanerena ireo biby tsy hikorontana miverimberina, sy mafy, toy ny fampiasana fehivava, ny fanofanana, indrindra koa ny fampidirana azy an-trano raha hiala amin’ny toeram-ponenany ny tompony”. Mazava ny voalaza ao anatin’io andininy io fa tsy hoe “mivovo” indray mandeha na indroa ny alika dia haha-voasazy, fa matetika loatra na miverimberina. Misy mamilana anefa izany, indrindra ireo mpikirakira “Facebook” izay tsy mamaky tsara akory fa mandray an-tendrony, hany ka mametraka adihevitra diso sy tsy mitombina, amin’ny filazana hoe “Aiza koa no hisy alika tsy hivovo?” sy ny sisa. Raha tsorina dia tsy mahita antony entina hanoherana ny mpitondra ankehitriny intsony ny mpanohitra, ka ezahana havilana avokoa izay fanapahan-kevitra rehetra raisina eo. Averina hatrany fa entina handrindrana fiarahamonina no tanjon’ny Code Municipal d’Hygiène. Izany hoe, tsy voatery hihatra mihitsy ireo sazy ireo, raha toa ka manaiky no eo ambany lalàna avokoa ny rehetra. Tsara ny mampahafantatra fa tsy ny mpitantana ankehitriny no nametraka voalohany ny “Code municipal d’hygiène”. Tamin’ny taona 1969 no namolavolana voalohany ity fitsipika ity, tamin’ny alalan’ny Polisy ara-pahasalamana tamin’izany fotoana. Ny taona 2013, narafitra no boky izany, ary misy eo amin’ny 103 no isan’ny andininy ao anatiny. Ny volana Mai 2020 kosa no nitondra fanatsarana ny mpitantana ny tanàna ankehitriny, tamin’ny andininy miisa 20. Ny olana amin’ny olona sasany, efa zatra ny goragora sy ny gaboraraka nisy teo aloha sy hatramin’izay, dia tsy mahazaka ny fampanarahan-dalàna hapetraka amin’izao fotoana izao.




