PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMETRAHANA COCKTAIL MOLOTOV: Hita tamin’ny “caméra de surveillance” mihitsy ny Kly Patrick

Taorian’ny fametrahana “cocktail Molotov” sy trakta manambara fampiadiana sy fandrahonana teny 67 ha sy ny Villa Pradon Antanimena, ny volana avrily lasa teo, dia nosokafana ny fanadihadiana. Nambaran’ny Hery fiarovana sy filaminana nanao fanambarana omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava fa  rehefa nosokafana ny fanadihadiana, dia hita tamin’ny alalan’ny “caméra de surveillance” na fakan-tsary andrimaso ny fisiana olona roa nandeha môtô nametraka ireo zavatra ireo.  Narahina ny toerana niaingany sy nandalovany, dia hita sy voaporofo fa ny médecin colonel Rakotomamonjy Simon Patrick no nanao io asa ratsy io. Porofo tsy azo lavina ny fisiany sary hita tamin’ny fakantsary andrimaso ary ny fitsoahany dia midika zava-dehibe amin’ny andraikitra raisiny. Manoloana io raharaha hiampangana azy io.  Voasambotra izy, ny 14 aprily 2025 maraina,  natao ny fanadihadiana  niarahany polisy sy zandary ary natao andrimaso tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Ny 16 Aprily 2025 tokony tamin’ny 05 ora 30 mn maraina izy no nitsoaka ny toerana nitazomana azy, nanararaotra ny nahavariana ny mpiandry raharaha.  Nitohy ny fanadihadiana  ary voasambotra ilay namany nitondra môtô. Nanamafy ny asa ratsy nataon’ny Kly Patrick tamin’ny andro voatonona io izy.

Mitohy ny fikarohana…

Nampatsiahy ny avy amin’ny Hery fiarovana sy filaminana fa enjehin’ny lalàna ny manafina na mampiantrano ary raisina anisan’ny mpiray tsikombakomba izany. Mitohy, araka izany,  ny fikarohana an’ny Kly Patrick. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, nifarana ny 30 aprily 2025 ny famotorana ka olona misa 30 no natolotra ny fitsarana. Olona dimy voatazona am-ponja vonjimaika, telo eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Ny mahakasika ny filazana fampiasana jiolahy manampy amin’ny fanadihadiana, dia tsy misy velively izany fa polisy sy zandary avokoa no nanao ny famotorana. Manana ny sampana mikaroka ny heloka an’habaka ny polisy sy ny zandary, izay nahazo fiofanana manokana ary tsy mena-mitaha ny any ivelany ary manana fifandraisana amin’ireo sampana any ivelany.

Ny horonantsary indray dia ny Artec no mitantana io ary ny “original” dia any aminy, fa ny dika mitovy no angatahany mpanao famotorana. Fehiny, lainga no afafin’ny Médecin Kly Patrick, raha ny fanambaran’ny mpitandro filaminana, entiny hanadiovana ny tenany manoloana ireo vesatra misy ary koa ireo fitoriana miisa dimy napetrak’ireo olona nokasihany tanana sy nanamparany fahefana. Mampiseho ireny ranty nataony ireny, ny tsy fanajana velively ny fitsipi-pifehezana mifehy ny Foloalindahy.

Nahitana vokatra koa teo anivony  famotorana niarahana satria dia tratra ireo olona miisa roa nanoratra fihantsiana sy fandrangitana teny amin’ny rindrina Antsahamanitra nandritra iny fihaonana an-tampony ireo nosy dimy mivondrona eto amin’ny Ranomasimbe Indianina teo. Atolotra ny fitsarana anio, izy ireo. Manantitra ny Mpitandro filaminana fa tany tan-dalàna isika ary tsy handefitra manoloana ireo fihantsiana sy fandragitana ataon’olom-bitsy entina hanakorontanana ny saimbahoaka. Manentana ny vahoaka malagasy, mba ho tony manoloana ireny tranga ireny, satria dia efa mandray andraikitra ny mpitandro filaminana.

Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer