Songadim-baovaoToekarena

FAMETRAHANA LALAMBE MIGODANA : Vonona hifampizara traikefa amintsika i Turquie

Misolo tena an’i Madagasikara amin’ny Fihaonambe manerantany momba ny lalana, karakarain’ny Federasiona Iraisampirenena ho an’ny lalana, tanterahina any Istanbul Turquie nanomboka ny talata teo hatramin’ny omaly zoma, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa Rafidison Richard Théodore. Anisan’ireo Minisitra maherin’ny roapolo (20) misahana ny lalana sy fitaterana mandray anjara amin’ity fihaonambe andiany faha 28 ity ny tenany. Eo ihany koa ireo mpamatsy vola iraisam-pirenana maro toy ny Eximbank avy ao Chine, ny Banky Iraisampirenena, ny « Banque Européenne d’Investissement », sns. Lohahevitra maro no noresahana nandritra ny andro vitsivitsy, toy ny faharetan’ny lalana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro, ny arolozan’ny fifamoivoizana, ny fampiasana ireo fiara elektrika.

Nandray anjara fitenenana ny Minisitry ny Asa Vaventy, nanazavany ny paikady sy ireo asa tanterahina eto Madagasikara mahakasika ny lalana sy ireo lohahevitra ireo. Niresaka mikasika ny tetikasa lalambe migodana ihany koa izy nandritra ny fihaonany manokana tamin’ny Minisitra « turque » misahana ny lalana, Atoa Abdulkadir Uraloğlu. Ity farany izay naneho fahavononana hifanome tanana sy hifampizara traikefa mahakasika an’izany. Vonona ihany koa ireo mpampiasa vola ao Turquie, anisan’izany ny « Groupe ASER », izay mikasa ny hanamboatra ny ampahan’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), mampitohy an’Antananarivo sy Toliara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer