PolitikaSongadim-baovao

FAMETRAHANA NY “DIGITAL SCHOOL” : Mpianatra malagasy miisa 1 Tapitrisa hisitraka fampianarana manaraka ny fivoaran’ny teknolojia

Nampita ireo ezaka efa notanterahina amin’ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny kabary nataony, tamin’ny andro faharoan’ny « World Governments Summit » natao tany Dubaï. Mifanindran-dalana amin’io ny  fifanekem-piarahamiasa miaraka amin’i Émirats Arabes Unis momba ny fametrahana ny « Digital school » sy ny « coders initiative » ka tanora hatramin’ny 1 tapitrisa hisitraka fampiofanana momba ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra…

Nizara ireo ezaka efa natao sy ny vinany ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mifanindran-dalana amin’ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny lahateny  nataony, tamin’ny andro faharoan’ny « World Governments Summit » natao tany Dubaï. Mitohy ny asa efa natomboka tamin’ireo sehatra laharam-pahamehana, dia ny fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana, ny indostria, ny angovo, ny fahasalamana ary ny fanabeazana.

Nosoniavina omaly, noho izany,  ny fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin’i Émirats Arabes Unis momba ny fametrahana ny « Digital school » sy ny « coders initiative » ka tanora hatramin’ny 1 tapitrisa no hisitraka fampiofanana momba ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra, mandritra ny fe-potoana 2021 – 2026.

Ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle, izay nisolo tena ny Fitondrana Malagasy, sy Omar Sultan Al Olama, minisi-panjakana misahana ny toekarena nomerika.  amin’ny anaran’ny Fitondrana Emirati no nanao izany sonia fifanekem-piaraha-miasa izany. Ity « Digital School » dia tetikasan’ny “Fondation Mohammed Bin Rshid Al Maktoum Global Initiatives”. Tanjona ny hanavaozana ny fomba fampianarana eran-tany amin’ny alalan’ny fampiasana ny tekonolojia vaovao. Misy teboka dimy, araka izany, ny tanjon’ny fifanekem-piaraha-miasa izay nosoniavina omaly. Misy teboka dimy tahaka izany koa ny zotra fampiharana ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Emirats Arabes Unis, izay natao sonia omaly. Voalohany amin’izany ny fifanakalozana traikefa sy fomba fiasa mahomby. Ny teboka faharoa kosa, ny fampidirana an’i Madagasikara anatin’ny “Alliance pour l’avenir de l’apprentissage numérique”. Ny fahatelo, ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana sy ny fampiharana ireo fomba mahomby sy manara-penitra mahakasika ny fampianarana, amin’ny alalan’ny teknolojia nomerika. Ny teboka fahefatra dia mahakasika ny fampihodinana ny Tetikasa fitaratra sy ny fampandrosoana. Ary ny farany, ny fandrafetana ny votoatin’ny fampianarana, ho an’ny sehatra nomerika enti-mampianatra.

Pierre M.

Fermer