PolitikaSongadim-baovao
FAMETRAHANA NY FARITRA VATOVAVY: Haroso eny amin’ny parlemanta
Nanamarika ny dian’ny Filoham-pirenena nanomboka ny herinandro lasa teo, tany amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy iny, ny dinidinika niarahany tamin’ireo Raiamandreny ara-drazana sy Ampanjaka avy any amin’iny Faritra iny momba ny fizarana an’I Vatovavy sy Fitovinany. Ny fiandohan’ny herinandro teo, nandritra ny fandalovan’ny Filoha tao Mananjary, no nanambarany ara-pomba ofisialy ny fijoroan’ny Faritra Vatovavy, izay ahitana ny Distrikan’I Mananjary, Nosy Varika, ary Ifanadiana.
Nambaran’ny Filoham-pirenena tamin’ny fomba ofisialy tao Mananjary ny fisarahana ara-panjakana eo amin’ny Vatovavy sy Fitovinany ho faritra roa samihafa. I Vatovavy izay hahita an’i Mananjary, Nosy Varika ary Ifanadiana. Fitovinany kosa, dia hahitana an’i Manakara, Vohipeno ary Ikongo. Fizaram-paritra nolanjalanjaina ara-jeografia sy ara-tantara no atao, hoy ny Filoha. Voalazany fa hipetraka tsy ho ela eny anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna hilaza ny maha faritra faha 23 an’i Vatovavy, araka ny nangatahan’ireo mponina any sy ireo Ampanjaka any an-toerana. Raha tsiahivina, nanomboka ny sabotsy teo dia nisy ny dinika mahakasika izany vinan’ny Filoha izany niaraka tamin’ireo Raiamandreny Ampanjaka ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ny olomboafidy toy ny Depiote sy ny Ben’ny tanàna ary ny vahoaka tao Manakara, natao tao Vinany. Ny tanjon’ny dinidinika dia ny hisian’ny « teny ierana » momba ny fizaram-paritra ho roa an’ny Faritra Vatovavy Fitovinany.
Dinihin’ny Filankevitry ny minisitra
Mbola tao Mananjary ihany no nanambaran’ny Filoha fa hodinihin’ny Filankevitry ny minisitra rahampitso ny volavolan-dalàna mahakasika ny fametrahana ny faritra faha-23, Vatovavy. Hirosoana ireo dingana rehetra takian’ny lalàna amin’ny fametrahana izany, hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana, araka ny Velirano efa natao, hoy ny Filohan’ny Repoblika. Fotoana izay nilazany ireo fampanantenany ho an’I Mananjary vantany vao mipetraka ny maha faritra azy. Mendrika fotodrafitrasa mendrika sy raitra ary maoderina, hoy izy, ny Faritra. Isany efa andalam-panamboarana ankehitriny ny Kianja manarapenitra. Hapetraka koa ny Gymnase, sy ny sisa hafa koa.
Nandritra izao fandalovan’ny Filoha tany an-toerana izao, tsy diso anjara tamin’ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ny tao Mananjary. Tokantrano miisa 1000 no nisitraka ny vatsy tsinjo tao an-toerana. Nisy ihany koa ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hitondra hazavana ho an’ireo tokantrano mila izany. Notolorana « camion bennes » ihany koa ny tanàn’i Mananjary ho fanampiana amin’ny fitandrovana ny fahadiovana ao an-toerana.




