PolitikaSongadim-baovao

FAMETRAHANA NY FITONIANA SY FAMPANDROSOANA: Nomena toromarika ireo Prefe manerana ny Nosy

Taorian’ny FFKM dia ireo Lehiben’ny Fileovana na Prefe no tonga tao Iavoloha niarahaba ny Filoha Rajoelina Andry sy nitondra ny firarian-tsoa ho azy sy ny ankohonany noho izao taona vaovao izao. Notarihin-dRahajavololona Nirintsoa, minisitry ny Atitany izy ireo. Miisa 25 ireo Prefe manerana an’i Madagasikara. Nisy vitsivitsy amin’izy ireo moa no tsy afaka nanatrika ity fihaonana tao Iavoloha noho ny andraikitra izay tsy maintsy nanirahana azy ireo hody any amin’ny Faritra iadidiny isan’isany. Nanararaotra ity fihaonana mivantana ity ny Filoha Rajoelina hanomezana toromarika an’ireo Prefe amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehan’ny Politikam-panjakana. “Ianareo no solontenam-panjakana, izay notendrena hanatanteraka ny vina sy ny andraikitra sy asa izay iantsorohanareo tsirairay avy amin’ny maha prefe anareo eto amin’ny tany sy ny firenena”, hoy izy.
Isan’ny notsindrian’ny Filoha tamin’izany ny fanafainganana ny asa ho an’ny “Transformation agricole”, mba hahatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nambarany, araka izany, fa “ny tanjona dia ny hahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina ny « paddy » ao anatin’ny fotoam-pambolem-bary manaraka ho avy izao. Raha tratrantsika fotsiny ny atsasak’izay, dia efa tsy manafatra vary avy any ivelany intsony isika. Eo koa ny fanatanterahana haingana ny “Transition energetique”, anenana na ialana mihitsy amin’ny fiankinan-doha amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny solika.
Fitoniana sy filaminana…
Manoloana an’ireo asa rehetra miandry ireo dia notsipihin’ny filoha Rajoelina Andry ny maha zava-dehibe ny filaminana sy ny fitoniana. Nambarany, araka izany, fa “tsy manana ny toerany eto Madagasikara intsony ny fanakorontanana ary indrindra indrindra ny fifampirafesana, ny fifandrafiana eo amin’ny samy Malagasy. Izay no andraikitrareo satria ny mitana izay fandriampahalemana sy filaminana izay dia andraikitrareo prefe ihany koa, ary izay no ilaina fiaraha-miasa akaiky aminareo tsirairay avy, satria manana vina isika, manana drafitra isika entina ampandrosoana an’ity Madagasikara ity”, hoy izy nanazava. Toromarika nomen’ny Filoha koa ny anaovana ny asa anatin’ny fahitsiana sy fahamarinana. Raha hazavaina fohifohy dia ireo Prefe no solontenam-panjakana na “autorites deconcentrees”, eny anivon’ny Faritra. Ahitana Prefe koa ny tanàna tahaka an’Antananarivo noho ny sata manokana izay ananany. Amin’ny maha solontenam-panjakana azy ireo, dia ireo Prefe no tomponandraikitra voalohany amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny faritra iadidiany, sy ny fampihodinana ny raharaham-panjakana, ary koa ny fitandroana ny fanarahan-dalàna amin’ny asa sy fampiasam-bola, izay ataon’ireo mpitantana ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ireo “autorites decentralisees”.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer