Songadim-baovaoSosialy
FAMOAHANA TARATASY TSY MISY ANTO-BOLA : Voasambotra ilay Vadintany namoahana filazana fikarohana
Tsy afa-bela ! Valo volana aty aoriana no natsahatra ny filazana fikarohana momba ilay Vadintany voarohirohy tamina resaka fisolokiana sy famoahana taratasy tsy misy anto-bola. Ny 03 jolay 2024 tokoa no efa namoahan’ny teo anivon’ny Sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ny ilazana fikarohana ilay vadintany antsoina hoe Rakotonirina Herilalaina Alain. Nentanin’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ireo izay niharan’ny fisolokiana, indrindra ireo manana fitarainana hafa mahakasika ity olona voasambotra ity, mba hanatona eny amin’ny Biraon’ny sampana fikarohana heloka bevava eny anivon’ny Zandarimaria Fiadanana. Tiana ny manamarika fa enjehin’ny lalàna velona ny fanafenana olona tadiavin’ny Mpitandro filaminana, indrindra amina heloka bevava sy ny asa fangalarana amin’ny endrika maro isan-karazany.
Pierre M.




