Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA ANGOVO AZO HAVAOZINA 50 MGW: Vita ny fifanaraham-piahamiasa eo amin’i Madagasikara sy ny “Global South Utilities”
Tsy niandry ela! Vao vita ny matso lehibe nanamarihana ny faha 65 taona ny niverenan’ny fahaleovantena teny Mahamasina, dia nihazo ny Lapam-panjakana Iavoloha avy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina, omaly. Nitarika ny lanonana fifanaovan-tsonia fifanaraham-piahamiasa eo amin’i Madagasikara sy ny orinasa Global South Utilities (GSU) avy any Emirats Arabes Unis (EUA), moa ny Filoham-pirenena, omaly tolakandro teo. Ny fiandrianana amin’ny sehatry Angovo na “souverainete energetique” no tanjona amin’izany. Fifanarahana roa, izay mitondra amina asa mivainga amin’ny fanamafisana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, avy amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina no natao sonia tao Iavoloha. Nanao sonia tamin’ny anaran’ny Fitondrana Malagasy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Jean-Baptiste Olivier. Ho an’ny ankilany kosa, dia i Ali Alshimmari, Tale jeneraly sy CEO, Global South Utilities (GSU), no nanao ny sonia. Porofon’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ i Madagasikara sy EAU ihany koa ireto fifanarahana nosoniavina ireto. Maneho ny fanohanan’izy ireo ny tanjon’i Madagasikara amin’ny fivadihana, amin’ny “Transition energetique” koa, na ny fivadihana amin’ny famokarana angovo azo havaozina.
50 MGW hapetraka ao Moramanga
“Ny fifanarahana voalohany, izay antsoina hoe “Head of Terms”, dia mametraka ireo fepetra amin’ny fifampiraharahana ahafahana mividy Angovo eo amin’ny GSU sy ny Jirama. Izany fiaraha-miasa izany dia mahakasika ny fametrahana “centrale solaire”, izay mahatratra 50 MGW ao Moramanga. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Angovo, dia hiaraka amina “batterie de stockage” 25 MGW izy io. Nosafidiana manokana i Moramanga satria misy ireo “lignes à haute tension”, avy any Andekaleka mandeha Antananarivo. Ka ho ampidirina avy hatrany amin’io tambazotra fitaterana herinaratra io, ny vokatra avy ao amin’ilay “parc solaire” lehibe ho amboarina. Haharitra 12 volana ny fanatanterahana ny fametrahana ilay “centrale solaire”. Ny tanjona dia ny hampitombo ny famokarana herinaratra eto Madagasikara, sy ny hananan’ny Firenena fahaleovantena amin’ny sehatry ny famokarana angovo, ary ny fampiroboroboana ny famokarana angovo azo havaozina.
Hametraka “centrale solaire” ana 250 MGW.
Ny fifanarahana faharoa kosa, dia “Memorandum of Understanding” (MOU), izay mametraka “engagement de principe” eo amin’ i Madagasikara sy GSU, amin’ny fividianana Angovo, fa amina tetikasa goavana kokoa. Amin’ny alalan’ity MOU ity dia manome toky ny GSU fa hametraka “centrale solaire de 250 MGW”. Ny Fanjakana malagasy kosa dia manome toky fa hanohana sy hanamora ny fanatanterahana io tetikasa io ary hividy ny herinaratra ho vokarina ao. Hisy, araka izany, ny fanaovana fandinihina manokana. Mbola hisy koa ny fifampiraharahana, ahitana ny marimaritra iraisan’ny roa tonta, mba hifanaraka amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka, ary koa ifanojo amin’ny fenitra sy ny lalàna velona eto Madagasikara ny fifanarahana hosoniavina amin’izany, indrindra fa ny vidin’ny herinaratra hovokarina.
Nangonin’I Rado Harivelo


