PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA ANGOVO: Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara ny Orinasa “Cambridge industriel LTD
Nisy ny omaly ny fihaonana manokana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha lefitra misahana ny business development-n’ny orinasa Cambridge industries LTD, Olivier .Nizeyimana. Orinasa matanjaka sy goavana misehatra amin’ny fanaovana asa, fanaovana foto-drafitrasa sy asa vaventy mikasika ny angovo azo havoazina eto Afrika ny Cambridge industries LTD. Ity orinasa ity no misahana manontolo ny fandrindrana ny fanantanterahana ireo tetikasa amin’ny famokarana angovo azo havaozina manerana an’i Afrika. Tena mampiavaka manokana ity orinasa ity kosa dia noho izy orinasa voalohany mamolavola, manatanteraka sy managana tetikasa mamokatra angovo miainga amin’ny fako, eto Afrika. Araka izany, mifanaraka tanteraka amin’ny vina imasoan’ny filoha Andry Rajoelina ny asa sy ireo tetik’asa ataon’ny Cambridge industries LTD. Nametraka ho laharam-pahamehana hatrany ny filoha Rajoelina amin’izao fotoam-pitantanany faharoa izao fa tsy maintsy mivadika amin’ny fampiasana sy ny famokarana angovo azo havaozina i Madagasikara mba hahafahana mamokatra herinaratra maharitra hoan’ny isaky ny tokantrano malagasy.
Tetikasa hitondra tombontsoa roa sosona amin’i Madagasikara araka izany izao nifampidinihin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha lefitry ny cambridge industries ltd izao. Andaniny, hanampy ireo vahaolana maharitra amin’ny famatsiana herinaratra hoan’ ny tambazotram-pamatsiana herinaratra eto Antananarivo ny tetik’asa. Ankilany kosa; hitondra fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara amin’ny fifehezana ny fiparitahan’ny fako ny tetikasa. Notsipihin’ny filoha manokana ny maha-zava-dehibe ny fivadihana amin’ny famokarana angovo azo havoazina izay hanafaka ny fanjakana amin’ny fanampiana lava ny JIRAMA ary hahafahana mampiasa ny vola fanampiana an-jatony tapitrisa dolara amin’ny asa fampandrosoana.
Nambaran’ny filoha Rajoelina nandritry ny fihaonana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny tokony hifehezana ny fiapritahan’ny fako eto Antananarivo renivohitra. 1400 hatrany amin’ny 1500 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitra voaangona isan’andro. Asa ananan’ny cambridge indstries ltd traikefa tsara ny fifehezana ny fako sy ny famokarana angovo azo havaozina. Tsy nisalasala nampiseho fahavononana fiaraha-miasa avy hatrany amin’i Madagsikara sy ny fanjakana Rajoelina ny orinasa Cambridge industries amin’izany tetikasa entina hivadihana amin’ny famokarana angovo azo havaozina izany. « Hanampy hatrany amin’ny 50 megawatts ny herinaratra ato anatin’ny tambazotra famatsiana herinaratra hoan’Antananarivo ny tetikasa ho entin’ny Cambridge industries. Ho azo avy amin’ny fanodinana fako ny famokarana ny angovo 30 megawatts hoy ny fanazavana. Raha hamokatra ny 20 megawatts ambiny kosa ny fametrahana ireo takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro ». Hanome asa mivantana olona hatrany amin’ny 7500 ity tetik’asa ity. Ary tombanana hatrany amin’ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny Cambridge industries LTD amin’ny tetikasa. Ankoaryny famokarana angovo azo havoazina, anisany tetikasa voaresaka ihany koany fametrahana orinasa mpamokatra sakafom-biby sy zezika. Tsy zovina eto Afrika intsony ny fahaiza-manaon’ity orinasa goavana ity amin’ny fanodinana ny fako ho lasa angovo azo havaozina toy ny tetikasan’izy ireo ao Ethiopie, izay mikendry ny hamokatra herinaratra 180 tapitrisa megawatts amin’ny alalan’ny fanodinana fako maherin’ny 500 tapitrisa kilao isan-taona.
Ny Fanoratana.



