
Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA HERINARATRA AO AMBOHIMANAMBOLA : Ampihodinina ireo milina rehetra, ahena hatramin’ny 80% ny delestazy
Nirotsaka an-tsehatra teny amin’ny tobim-pamokarana herinaratry Jirama eny Ambohimanambola ny Filoha Andry Rajoelina omaly maraina. Ity toerana ity moa izay itobian’ireo milina mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika izay misy an’ny sehatra tsy miankina koa, ary isan’ireo mamatsy ny Tambazotra iraisan’Antananarivo na « Reseau interconnecte d’Antananarivo » (RIA). Araka ny efa nambarana, dia itadiavam-bahaolana ny delestazy lavareny, izay manavesatra ny andavanandron’ny vahoaka, sy manimba ny toekarena no vontoatin’ity fidinana ifotony ity. Araka izany, nisy ny fivoriana arakasa notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, nahitana ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Tale jeneralin’ny Jirama, sy ireo tomponandraikitra ireo orinasa mpamokatra herinaratra rehetra miara-miasa amin’ny Jirama, mamatsy ny RIA. Isan’ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra izany fivoriana izany, ny fampihodinana ireo milina rehetra mpamokatra herinaratra ao Ambohimanambola, na ireo milina mandeha amin’ny menaka mavesatra izany, fa indrindra ireo « Turbines à Combustion » (TAC), izay mandeha amin’ny gazoala. Tanjona, dia ny hampihenana hatramin’ny 80% ny delestazy. Izany hoe, mba tsy ho tapaka ny jiro amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina, fara faharatsiny.
Fanavotana ny Jirama…
Hiasa avokoaka ireo milina mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola, araka ny toromariky ny Filoha Rajoelina. “Ny eo am-pelatanana izany, raha ny fivoriana tao, dia manana gropy isika, an’ny AKSAF izay 54 Mgw, fa 30 Mgw no nandeha teo aloha. Izao dia efa namboarina, efa mandeha ny 54 Mgw. Tahaka izay koa ny an’ny Symbione, izay 37 Mgw, fa teo amin’ny 20 Mgw teo no nandeha teo aloha, satria nisy fahasimbana koa”, araka ny fanazavany. Hanampy ireo, araka izany, ireo milina lehibe roa antsoina hoe TAC, izay mandeha amin’ny gazoala. Miteraka fandaniam-bola mihoa-pampana ho an’ny Fanjakana moa ny fampiasana azy ireto satria 300 tapitrisa ariary isan’andro ny sandan’ny solika ampiasaina, hampihodinana azy ireo, na manodidina ny 9 miliara ariary isam-bolana.
Vahaolana fohy ezaka…
Misy ny tetikasa fohy ezaka izay ho atomboka avy hatrany. Nanome toromarika ny Filoha Rajoelina fa amin’ny herinandro dia tsy maintsy hatomboka ny fanamboarana ny « parc solaire » 20 megawatts hanamafisana haingana ny famatsiana herinaratra ho an’ny RIA. Izy ity dia tafiditra ao anatin’ilay tetikasa fametrahana « parcs solaires » ho ana distrika miisa 47 manerana an’i Madagasikara. Mba hiatrehana ny olan’ny herinaratra, homena tombodahiny manokana ireo tanàn-dehibe. Isan’izany Antananarivo izay hahazo 20 Mgw. Nampiaka-peo ny Filoha nilaza fa efa amam-bolana maro izy no nanatrika ny fahatongavan’ny fitaovana hametrahana ireo « parcs solaires » ireo tany Toamasina. Saingy hatramin’izao, tsy mbola nanomboka ny asa. Araka ny toromarika nomen’ny Filoha, dia amin’ny herinandro tsy maintsy hanomboka izany asa izany, ary tanterahina faran’izay haingana.
Vahaolana maharitra…
Mba tsy hisian’ny olana tahaka izao intsony dia nanapa-kevitra ny Fanjakana fa hanampy ny Jirama ahazoana vahaolana maharitra. Izany fanampiana izany dia amin’ny alalan’ny fampiasambola. Araka izany, ankoatra ireo tetikasa iarahana amin’ny mpiara-miombona antoka avy any ivelany sy ny sehatra tsy miankina avy eto an-toerana, dia hamatsy vola amin’ny fanatanterahana tetikasam-pamokarana angovo koa ny Fanjakana. Imasoana manokana amin’izany ny fametrahana “centrales solaires”. Tanjona dia ny hamokatra 1.000 Mgw avy amin’ny herin’ny masoandro. Ny 250 Mgw amin’izany dia famatsiam-bola avy amin’ny Fanjakana, ary ny 100 Mgw dia ho atao eto Antananarivo. Sady hanamora ny sandan’ny jiro ho an’ny mpanjifa izany, no hanatsara ny famokarana ny herinaratra, ary koa hanena ny fandoroana vola amin’ny fividianana solika hampihodianana ny milina an’ireo “centrales thermiques”. Isan’ny tetikasa lehibe ho atao eto Antananarivo ny parc solaire mitsingevana izay ho apetraka eo amin’ny farihy Iarivo etsy Ivato. Ity ny ho parc solaire lehibe indrindra aty Afrika, ary hamokatra herinaratra 50 Mgw izany.
Rado Harivelo




