Songadim-baovaoToekarena

FAMOKARANA HERINARATRA: Hamboarina ny toho-dranon’Andriampamaky, hamokatra herinaratra 2MW

Toho-drano iray efa niasa, ary nihodina namokatra herinaratra ho an’Andriampamaky sy ireo Kaominina manodidina azy ny barazy ao Andriampamaky. Noho ny tsy fisian’ny fikarakarakana sy ny fandraisana an-tanana anefa, dia tsy nihodina intsony izany tato anatin’ny taona maro nifandimby. Araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Angovo sy ny Akoran’afo, eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Andry Ramaroson, dia efa misy ankehitriny ny tetikasa fanamboarana indray ity toho-drano ao Andriampamaky ity. Raha ny fanazavany dia tsy olana goavana no misy ao an-toerana fa olana teknika fotsiny ihany ka tsy tokony ho sarotra ny hanarina izany. Isan’ny fanovana hatao ihany koa, ankoatra ny fotodrafitrasa, ny fampiakarana hatramin’ny 2 megawatt ny famokarana ataon’ity toho-drano ity. Tafiditra ao anatin’ireo Kaominina hisitraka izany, araka ny fanazavany i Mangamila sy ireo Kaominina hafa ao anatin’ny Distrikan’Anjozorobe.

“Mixte énergetique”

Anisany vina antonontonony ezaka kosa ny fampidirana ny herinaratra azo avy amin’ity toho-dranon’Andriampamaky ity ao amin’ny Tambajotra Iraisan’Antananarivo any amin’ny taona 2023. Tanjona amin’izany, hoy ny fanazavana, ny hanatsarana hatrany ny famatsiana herinaratra ho an’Antananarivo sy ny manodidina, amin’ny alalan’ny “mixte energetique”. Mazava ho azy, tsy maintsy hisitraka amin’ny herinaratra azo avy amin’izany tambajotra iraisan’Antananarivo izany hatrany ny Kaominina Andriampamaky sy ny manodidina rehetra. Mandrapahatongan’izay anefa dia efa mamatsy herinaratra any an-toerana ny fotodrafitrasa vantany vao tomombana ny lafiny teknika.

Ho an’ny ao amin’ny Kaominina Mangamila manokana, dia hifanindran-dalana amin’ny famelomana indray ny toho-dranon’Andriampamaky, ny fametrahana ihany koa toby mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Fermer