Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA HERINARATRA: Ho voavaha ao anatin’ny herinandro ny olan’ny fahatapahan-jiro
Ho vahana anaty fotoana fohy ny olan’ny fahatapahan-jiro raha ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny Jirama sy ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo. Izany dia miainga avy tamin’ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika. Anisany olana goavana nanamafy ny fahatapahan-jiro ny faran’ny herinandro teo ny fikatonan’ny toerana famatsiana solika tao Toamasina sy ny fahavitsian’ireo fiarabe mpitatitra solika mavesatra…
Taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ny Filohan’ny Repoblika teny amin’ny tobim-pamokarana herinaratra Ambohimanambola, herinandro lasa, dia nampanantena ny teo anivon’ny orinasa Jirama, tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny, Ron Weiss, sy ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo, Jean Baptiste Olivier, nandritra ny fidinana ifotony teny amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika, Ambohimanambola, omaly, fa ho voavaha anatin’ny herinandro ny fahatapahan-jiro lavareny mampijaly vahoaka. Nitondra fanazavana ny Tale jeneraly, fa anisany olana goavana nisian’ny fahatapahana mafy tamin’iny faran’ny herinandro teo iny ny fikatonan’ny toerana famatsiana solika tao Toamasina, vokatry ny asa fikojakojana tsy maintsy natao. Faharoa, ny tsy fahampian’ireo fiarabe mpitatitra menaka hamatsiana ireo vondona mpihary herinaratra. Raha 05 monja izany ny alahady 03 novambra teo, dia efa mba niakatra ho 08 afak’omaly, ary hatramin’ny omaly dia efa tafakatra 14. Fantatra, fa fiarabe 16 isan’andro no ilaina hamatsiana ny milina HFO Ambohimanambola. Nidina ny famokarana avy tamin’ireo foibe mpamokatra herinaratra manakaiky ny Reniranon’Ikopa, ary ny tena goavana dia antony noho ny fidinan’ny famokarana ao Andekaleka. Nohamafisin’ny Minisitra, fa tsy nisy afa-tsy 20MW sisa ny herinaratra vokarin’ny ao Andekaleka, vokatry ny tsy fahampian-drano. Ny eny Farantsana tsy misy afa-tsy 03 ka hatramin’ny 04MW. Tsy ampy ny rano ary tsy feno manaraka izany ny fepetra hahafahana mandatsaka orana, izay efa nanaovana andrana ny faran’ny herinandro teo.
Ezaka maromaro mitambatra…
Raha ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano (hydroélectrique) dia voalazan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama ity, fa tsy misy afa-tsy 65MW amin’izao fotoana raha atotaly. Mandritra ny fotoan’ny orana kosa, antenaina ny hahazoana hatramin’ny 190MW. Mandritra ity main-tany ity, dia hamafisina izay fampiasana milina mandeha amin’ny menaka mavesatra amin’ny alalan’ny “HFO” mba hanonerana io fidinan’ny famokarana herinaratra io, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Araka izany, hanampy famokarana hatramin’ny 25MW izy io. Ny Tale jeneralin’ny orinasa Jovenna, izay mpamatsy menaka mavesatra, andanin’izany, dia nampanantena, fa tsy misy olana ny tahiry izay mahatratra 21.000 m³ enti-mamatsy hatramin’ny volana janoary 2025, ka ny tapaky ny volana desambra 2024 ity no ho avy ny 24.000 m³. Fantatra, fa hatrany amin’ny 450.000 litatra isan’andro ny fatran’ny menaka mavesatra hahafahana mampiodina ny milina hamatsiana an’ Antananarivo. Mampiasa ny herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ihany koa isika amin’izao fotoana, mandritra ny andro, izay hahazoana hatramin’ny 30MW, izay tsy afaka sitrahana mandritra ny alina, hoy ny Tale jeneraly. Eo koa ny fampiodinana ny vata mpihary herinaratra (groupe TCA) izay anisany manan-danja be amin’ny fampihenana ny fahatapahan-jiro. Tanjona hotratrarina ny hampihenana ny delestazy hatramin’ny 80%, hoy ity tompon’andraikitra ity. Nambaran’ny Minisitra, fa efa tafatsangana ihany koa ny komity hikarakara manokana ny fitaterana ireo takela-masoandro avy any Toamasina, izay vahaolana tsy hiankinan-doha amin’ny fampiasana solika.
Nangonin’i Stan R.




