Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA HERINARATRA: Vita ny 98%-n’ny “Centrale Hydroelectrique” ao Farahantsana
Nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo omaly nampahafantatra fa efa madiva hifarana ny asa fanamboarana ny « centrale hydroelectrique » any Farahantsana ataon’ny orinasa Tozzi Green ankehitriny. Nijery ny fizotry ny asa tany an-toerana ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo Andriatongarivo Andry sy ny Filohan’ny filankevim-pitantanan’ny orinasa Jirama Andriamanampisoa Solo (PCA) ary ireo teknisiana eo anivon’ny ministera ny andron’ny 2 jolay 2021 teo.
Raha ny vinavina dia nampidirina tamin’ny RIA nialohan’ny fetim-pirenena farany teo ny famokarana avy amin’ity toby ity nefa nihemotra ny fahavitan’ny tetikasa noho ny olana ara-pahasalamana nianjady teto amin’ny firenena. Na izany aza, fantatra tany an-toerana fa miroso ny tetikasa ary manodidina ny 98% ny fahavitan’ny asa ankehitriny.
Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny vidiny efain’ny Jirama amin’ny vokatra hozarainy amin’ny mpanjifany izy io. Araka ny tenin’Atoa PCA, hahafahan’ny Jirama mampitombo isa ny tokantrano hisitraka herinaratra ny fisian’ny famokarana toy izao. Eo amin’ny reniranon’Ikopa no nananganana ny toho-drano lehibe ao Farahantsana izay fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.
Misedra fahasarotana ny tetikasa
Hisy “pylones” miisa 159 hitondra ny tariby mirefy 38 km mahery avy any Mahitsy mihazo ny renivohitra. “Eo ampamahana ny olana amin’ny fananganana “pylones” vitsivitsy manakaiky ny toeram-ponenana ny MEH miaraka amin’ny Tozzi Green ka rehefa mivaha izany dia miroso avy hatrany amin’ny fitarihana ny tariby ny orinasa satria manome lanja lehibe tokoa ny lafiny sosialy sy ny fiaraha-monina ny tetikasa”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisitera. Hisy, araka izany, sous-station vaovao an’ny Jirama handray ny herinaratra Haute tension avy any Farahantsana eny Ankadimbahoaka izay hanaparitaka izany rehefa avy eo.
Nilaza ny teo anivon’ny Minisitera fa misedra fahasarotana ny tetikasa noho ny fisian’ireo olona tompon’ny tany sasany lalovan’ny andrinjiro lehibe izay tsy manaiky ny hametahana izany amin’ny taniny. Na izany aza eo am-pamaranana ny fananganana ity fotodrafitrasa lehibe ity ny orinasa Tozzi Green. Hisitraka ny vokatra avy any Farahantsana ny mpanjifa eto an-drenivohitra sy ny manodidina alohan’ny faran’ny taona 2021.




