Songadim-baovaoToekarena
FAMOKARANA NIKELA SY COBALT: Hiverina hihodina sy hamokatra ny Orinasa Ambatovy
Orinasa misehatra mivantana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena Malagasy ny Orinasa Ambatovy satria dia miantoka ny manodidina ny 30%-n’ny fanondranana ataon’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fanondranana Nikela sy Cobalt, araka ny fampafantarana nataon’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, ny RakotomalalaHerindrainy Olivier. Tsy mitazam-potsiny ny Fanjakana, raha ny nambarany fa eo hatrany ary mifanome tanana amin’ny orinasa hikatsahana vahaolana hiverenan’ny famokarana.
Ny sabotsy teo, nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny orinasa Ambatovy ny iraka avy amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy notarihan’ny Ministry ny harena an-kibon’ny tany sy ny delegasiona niaraka taminy, ny Asabotsy 26 Oktobra 2024. Iraka nifototra tamin’ny fijerena imaso ny zava-misy any an-toerana, taorian’ny tranga nahazo ity orinasa ity ka nampiato ny famokarana tao anatin’ny iray volana mahery. “Fahasimbana nitranga tamin’ny ampahany amin’ny fantsom-by mitondra ny akoran-tany hamokarana Nikela sy Cobalt, miainga avy any amin’ny toeram-pitrandrahana any Moramanga mihazo ny ozinina fanodinana ao Toamasina, no nahatonga izany”, araka ny fampitam-baovao.
Nisy moa ny toromarika avy amin’ny Fitondram-panjakana ny mba hikarohana izay vahaolana azo atao rehetra hiverenan’ny famokarana faran’izay haingana. Koa taorian’ny fanamboarana sy fanamarinana ary ny andrana teknika samihafa dia nanambara ny tomponandraikitra fa hiroso amin’ny fampihodinana tsikelikely indray ny famokarana Nikela sy Cobalt ny orinasa Ambatovy.
Tsy nihodina ny asa
Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireto iraka tany an-toerana dia hita maso fa tsy misy ny asa mihodina, mbola teo andalam-pametrahana ireo lamina rehetra hahatomombana ny asa ireo tomponandraikitra. Taorian’ny fahavitan’ny fanamboarana ny pitsopitsony nisy fahasimbana dia niroso tamin’ny andrana izy ireo, nialohavan’ny fandefasana rano miaraka amin’ny tosika (sous pression) manaraka ny fantsona aloha, izay vao afaka niroso indray tamin’ny fandefasana ireo taharo mahazatra, rehefa hita fa tody soa aman-tsara tany Toamasina ny rano “sous pression” nanaovana ny andrana ka tsy nahitana olana ny fizotran’izany tamin’ny fantsona rehetra.
Ny tolakandron’ny Sabotsy 26 oktobra 2024 no niainga avy any Moramanga indray ny akoran-tany ary nanomboka nafanaina araka izany ireo fitaovana ao Toamasina mba ho vonona handray sy hanodina ireo akoran-tany ireo. Ny Alatsinainy 28 oktobra no tonga tany amin’ny ozinina Toamasina izany ka ahafahana manomboka indray ny famokarana.
Mitsinjo ireo mponina
Nankasitrahan’ny Minisitra manokana ny finiavan’ny orinasa izay tsy nifantoka fotsiny amin’ny hiverenan’ny fampihodinana ny ozinina sy ny famokarana fa mitsinjo ihany koa ny momba ireo mponina izay lalovan’ny fantsona ary indrindra ny lafiny tontolo iainana, tao anatin’ny fanarenana ny tsy fahatomombanana misy.
Ho fitsinjovana ireo mpiara-miasa fa indrindra ny lafiny toekarena no imasoan’ny orinasa hikatsahana vahaolana ao anatin’ny fohy ezaka sy lavitra ezaka, raha ny nambaran’Andriamatoa Serge Andrianaivoravelona, Tale misahana ny fifandraisana amin’ny fitondram-panjakana sy ny seraseran’ny orinasa Ambatovy. Laharam-pahamehana anefa ny resaka aroloza, antony nijerena ifotony ireo tsy fietezana mialohan’ny hiverenana indray amin’ny fampiodinana sy famokarana ataon’ny orinasa. Marihana fa tsy ny orinasa Ambatovy irery ihany no misitraka tombontsoa avy amin’ny famokarana Nikela sy Cobalt eto Madagasikara fa anisany manampy mivantana ny toekarem-pirenena sy ny mponina ny fihodinan’ity orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany ity.



