KolontsainaSongadim-baovao
FAMOKARANA NY SARIMIHETSIKA « JOE »: Finiavana hitondra avoavo kokoa ny lentan’ny sinema malagasy
Vokatra 100% Malagasy. Ny sabotsy 14 Mey 2022 izao no ho azon’ny rehetra atao ny mijery ny sarimihetsika “JOE” rehefa noketrehina nandritra ny taona maro, ary novokarina sy notontosaina tao anatin’ny ny 14 volana. Sarimihetsika miala amin’ny mahazatra, miavaka amin’ny fomba fanoratana, ary miavaka ihany koa amin’ny fanatontosana amin’ny ankapobeny. Finiavana hitondra avoavo kokoa ny tontolon’ny sinema malagasy ny namokarana azy ity, hoy Arija Harijaona mpamokatra ny horonantsary.
“Mitantara lehilahy (JOE) maty vady, manan-janaka. Marary mafy io zanany io. Fantatra taty aoriana fa aretina tsy misy fanafana ilay izy. Dia niezaka nitady vahaolana ihany i JOE fa tsy nety nahita mihitsy. Avy eo, niona tamina olona iray izay manao fitsaboana nentim-paharazana izy. Mitaky zavatra maro be anefa io fitsaboana io. Nanome toky ilay olona fa hitsabo ilay zanak’i JOE marary fa misy zavatra tsy maintsy ataony ho takalon’izay. Lasa nampiditra vehivavy roa ho ao anatin’ny tantara i JOE. Ireo vehivavy roa ireo izay mitady ihany koa fiovam-piainana…”, io no ambangovangon’ny tantara ao anatin’ny sarimihetsika “JOE”, araka ny fanazavan’i Zo Tahina Hariminoson, mpanoratra sady mpanatontosa ny horonantsary. Ny tena tian’ny tantara ampitaina dia hoe “hatraiza no fetran’ny zavatra ataon’ny olona iray mba hahazoana ny zavatra tadiavina?”, hoy ny fanampim-panazavana. Nambaran’i Zo tahina Hariminoson, fa isan’ny mampiavaka ny sarimihetsika “JOE” io fomba nanoratana ny tantara io, izay miala amin’ny mahazatra. Ny tenany izay nilaza fa nianatra nanoratra tantara nandritra ny taona maro. Ary mbola taona maro ihany koa no nanoratana ny “JOE”, izay efa nanomboka ny taona 2014 ny fanomanana azy. Teo amin’ny 14 volana teo kosa ny famokarana azy. Ary noezahana ny haha lavorary ny pitsopitsony ara-teknika.
Vokatra 100% malagasy
I Arija Harijaona no mpamokatra voalohany ny sarimihetsika “JOE”. Nisy ny fiarahamiasa tamina namana vitsivitsy taty aoriana, araka ny fanazavany. Nambarany fa ity horonantsary ity dia vokatra malagasy 100%. Fiarahamiasana mpandraharaha tanora izy ity. “Finiavana hitondra avoavo kokoa ny horonantsary malagasy, ary koa hamerina indray ny fitiavan’ny olona ny sinema ny sarimihetsika “JOE””, hoy ny fanazavany. “Efa zatra nahita film malagasy isika, fa ny tanjona hametraka ny sarimihetsika malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy no mbola somary lavitra ezaka”, hoy hatrany izy. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiakarana ny lentan’ny sinema malagasy, noho izany, ny ekipa nanao ity sarimihetsika ity. Tsara marihina fa nandritra ny fanodinana sy famokarana ity sarimihetsika ity dia nisy fiofanana manokana narahin’ireo mpilalao. Izy ireo mety ho mbola tsy mahazatra ny maro, kanefa manome antoka fa afaka manolotra ainga vao indray amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy.
Haseho ho an’ny daholobe ny 14 Mey 2022
Homena vahana kokoa fijerena sarimihetsika anaty efitrano (Salle de cinema) aloha ny mpamokatra ny “JOE”. Tsy maintsy mbola hiandry fotoana lavalava aorian’izay vao ho azo jifaina ny horonantsary. Amin’izao voalohany izao dia misy fiarahamiasa amin’ny Canal Olympia, izay handefa voalohany ny “JOE”. Hanomboka amin’ny 14 Mey 2022 izao ny fandefasana azy, ary hitohy ao anatin’ny efatra herinandro. Maharitra 1ora sy 34 minitra ny sarimihetsika “JOE”. Ary mbola miankina amin’ny “Avant-première” izay ho atao ny 28 Aprily izao kosa no hamaritana izay sokajin-taona afaka mijery ny horonantsary.




