Toekarena
FAMONGORANA NY KOLIKOLY Hahena tsikelikely ny fifandraisan’ny mpamory sy mpandoa hetra
Hihena tsikelikely ny fifampikasohan’ny mpandoa sy mpamory hetra mba hamongorana ny kolikoly, ny fivezivezena eo amin’ny fandoavan-ketra, amin’ny alalan’ny fametrahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny Foibem-pitantanana ankapobeny momba ny hetra (DGI) ny tetikasa « e-Hetraphone »…
Tetikasa entina hanafoanana ny fifandraisana sy ny fifampikasohan’ny mpamory hetra sy ny mpandoa hetra, no tanjona ao anatin’izany, raha ny fantatra, izay natao hamongorana tanteraka ny kolikoly eo amin’ny tontolon’ny fandoavan-ketra. Ezaka iray lehibe tanterahin’ny minisiteran’ny Toekarena sy fitantanam-bola ny fampiasana ny arakajy mirindra sy ny teknolojiam-pifandraisana amin’ny alalan’ny finday amin’ny famorian-ketra, raha ny nambaran’ny minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tanjona ihany koa, ny hanamorana ny famorian-ketra sy ny fivezivezen’ny mpandoa sy mpamory hetra, raha ny fanazavana. Namafisin’ny Tale jeneralin’ny Foibem-pitantanana ankapobeny momba ny hetra, Germain, fa hahafahana mandoa hetra Tambatra ny fisian’io e-Hetraphone io. Tsy manafoana tanteraka ny fandoavan-ketra eny amin’ireo ivon-ketra akory, ny fisian’io tetikasa io, raha ny fantatra, saingy hatao tsikelikely ny mamindra izany amin’ny alalan’ny fampiasana « mobile money », hanentanana ny handoavan’ny mpandoa hetra amin’ny alalan’izany. Eo amin’ny ampaham-bola alain’ny mpandraharaha ara-bola elektronika indray, dia fantatra fa tsy hisy izany amin’ity e-Hetraphone ity, raha nisy izany tany aloha tamin’ireo orinasa vitsivitsy efa nampiasana izany. Amin’ity kosa, dia horaisin’ny Banky iraisam-pirenena an-tanana, amin’ny alalan’ny « Projet d’Inclusion Financière de Madagascar » (PIFM) izany. Tsy eo amin’ny lafiny hetra ihany no irosoan’ny minisitera, raha ny fantatra, fa eo amin’ny sehatry ny famadihana ho nomerika ny fikirakirana ny hetra amin’ny ankapobeny mihitsy, no hikatsahana ny paikady rehetra, antony hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka mpandraharaha ara-bola elektronika. Mahatratra 480 000 ny isan’ny mpandoa hetra manana ara-dalàna, amin’izao fotoana. Tanjona ny hahatafidiran’ireo mpandoa hetra rehetra tsy ara-dalàna ho amin’ny ara-dalàna hatramin’ny taona 2023, amin’ny alalan’ity e-Hetraphone ity. Natao omaly ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny DGI sy ny tetikasa PIFM, tamin’ireo orinasa mpandraharaha ara-bola amin’ny alalan’ny elektronika (Airtel Money, Orange Money, ary M’vola).


