PolitikaSongadim-baovao
FAMONOANA NY BEN’NY TANANAN’I MANGATABOAHANGY : Tafakatra enina ireo voasambotra, tsy ho afa-bela ireo tompon’antoka
Manoloana ny toe-draharaha mafana momba ny namonoana ny ben’ny Tanànan’i kaominina Mangataboahangy tamin’ny alin’ny zoma nifoha sabotsy lasa teo, dia fantatra ankehitriny fa olona enina no efa voasambotra. Basim-borona iray koa no sarona, izay efa nogiazana.
Manoloana ny toe-draharaha mafana momba ny namonoana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy tamin’ny alin’ny zoma nifoha sabotsy lasa teo, dia nisy resaka nifanaovan’ny Hery fiarovana sy filaminana tamin’ny mpanao gazety, omaly tany an-toerana. Nasongadin’ny Jly Rakotomalala Andriantahiana Jean Herbert, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena « fa mandray andraikitra feno ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Hery fiarovana sy filaminana. Vao nitranga iny toe-javatra mampalahelo iny, dia efa nidina ifotony ny eo anivon’ny Emmo/Nat ». Ny teo anivon’ny Zandarimaria, efa nanokatra fanadihadiana avy hatrany, manoloana io vono olona nahafatesana ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy io. Efa miroso, araka izany, ny fanadihadiana sy ny famotorana, ka olona enina no efa voasambotra, amin’izao fotoana izao, izay atao andrimaso, eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, ao Ambatofinandrahana. Miara-misalahy mikaroka ireo olon-dratsy ny mpanao fanadihadiana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, avy ao amin’ny Toby Ratsimandrava sy avy ao Amoron’i Mania. Ankoatra ireo olona enina voasambotra, dia basim-borona iray koa no sarona, izay efa nogiazana.
Tsy ho afa-bela na mivantana na ankolana
Hentitra ny avy ao amin’ny Hery fiarovana sy filaminana nanambara fa mitohy ny fanadihadiana ary ireo izay voarohirohy tamin’ny famonoana ny Ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy io, na mivantana na ankolaka, dia tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana. Ankoatra izay fanokafana fanadihadiana izay, ny Hery fiarovana sy filaminana dia manatontosa hetsika manokana fampandriana fahalemana, any amin’ny faritra Ambatofinandrahana. Fantatra fa misy ireo basy tsy ara-dalàna miparitaka any amin’ireo jiolahy. Natao, araka izany, ny hetsika fampandriana fahalemana any an-toerana.
Raha tsiahivina ny zava-niseho, ny zoma hifoha asabotsy no namoy ny ainy nandritra ny tifitra natao tamin’ny fiara 4×4 nitondra azy hody Rasazy Ranivoarivony Narindraniaina, Ben’ny tanàna lany tamin’ny Vovonana Irmar, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana. Araka ny angom-baovao, fiara 4×4 iray avy any Ambositra handeha Amboropotsy, izay nentin’’i L. Leonard, no nisy nanakana teo amin’ny lalam-pirenena RN 35, anelanelan’ny kizo Ambavalozakely sy Ankafotra ambany, kaominina ambanivohitra Itremo, izay tokony ho 20 km miala an’Itremo. Vokatry ny tifitra niantefa teo ambany saokany dia maty avy hatrany ity ben’ny Tanàna lany tao amin’ny Kaominina Mangataboahangy. Isan’ny naratra tamin’izao fanafihana izao, ny mpamily. Tsy nisy ny entana nalain’ireo jiolahy nitifitra. Ireo mpandeha sasany kosa, samy nanavotra aina, ka isan’izany ny anadahin’ity ben’ny Tanàna lavo ity. Nandritra ny fitondrana ny razana, fantatra fa mbola nisy sakana hafa teny an-dalana, saingy tsy nisy olon-dratsy teo. Efa Ben’ny tanàna am-perinasa teo koa ny rainy no nisy namono, tamin’ny taona 2017.
Rado Harivelo




