PolitikaSongadim-baovao

FAMORIAM-BAHOAKA: “Ilàna fahazoan-dàlana” hoy ny Prefen’Antananarivo

Tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny toerana hanatanterahana ilay fihetsiketsehana kasain’ny avy amin’ny fanoherana hatao amin’ny Sabotsy izao. Omaly, nanamafy ny teo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo fa ilàna fahazoan-dalana io hetsika kasain’ny mpanohitra tanterahina io. Mbola anaty vanim-potoan’ny valanaretina rahateo isika izao, hoy izy, ka maro ireo fepetra mbola tokony hohajaina mifanaraka amin’izany.

Mitohy hatrany ankehitriny ny fanentanana olona ataon’ireo Solombavambahoaka Tim, ho avy amin’ilay hetsika kononkononin’izy ireo hatao ny Sabotsy izao. Etsy ankilany anefa, hatramin’ny omaly dia mbola tsy naharay fangatahana fahazoan-dalana na taratasy fampahafantarana avy amin’ny mpikarakara ny hetsika ny eo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo. Nanambara ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo, Prefet-n’Antananarivo, fa na ny toerana kasain’izy ireo hanaovana ny hetsika aza mbola tsy fantatra hatreto. Na izany aza anefa, nohamafisin’ity tomponandraikitra ity fa tsy any ivelany akory no hanaovana ilay lazaina fa “fitsangatsanganana” kasaina hatao, fa eto an-toerana ihany. Dikany, tsy maintsy atao ny  fangatahana fahazoan-dalana.

Tsara ho fantatra anefa fa raha araka ny lalàna, dia 48ora mialoha farafahatarany no tokony hahazoana io fahazoan-dalana io. Izany hoe, manana hatramin’ny rahampitso Alakamisy ny mpanohitra hampafantarana ny hetsika atao, sy ny fangatahana fahazoan-dalana mifanaraka amin’izany. Mazava ho azy, noho izany, fa tsy azo atao mihitsy io famoriam-bahoaka io raha tsy misy ny fahazoan-dalana.

Fitsangantsanganana sa hetsika politika ?

Iharan’ny sazy avy hatrany izay minia mandika ny lalàna mahakasika ny famoriam-bahoaka, hoy ny Prefet-n’Antananarivo. Ity farany izay nanamafy fa mbola anaty hodidina misy ny valanaretina no misy antsika izao. Izany hoe, misy ny fepetra tsy maintsy hajaina rehefa manao hetsika, isan’izany ny fetrisan’ireo olona ho avy. Rehefa tsy feno, noho izany, ireo fepetra rehetra ireo dia azo atao tsara ny mandray fepetra mahakasika ny hetsika sy ireo minia manakorontana eto amin’ny firenena.

Tetsy ankilany, nanamafy ny Prefet-n’Antananarivo, fa haharenesana fandranitana sy fampirisihana ny vahoaka hankahala ny Fitondram-panjakana ao amin’ny fandaharana ataon’ny mpanohitra isanandro. Araka izany, mila havahana tsara raha tena “fitsangantsanganana” tokoa no atao na hetsika politika.  Tsy maintsy mampahafantatra mialoha ny eo anivon’ny Distrika rahateo ilay toerana handray ilay hetsika raha toa ka fitsangatsanganana no hatao. Raha toa kosa ka hetsika politika sy fandranitana vahoaka no hatao dia miara-tomponandraikitra amin’izany ny tompon’ny toerana mandray ny hetsika.

Hihetsika ny zandary

Tetsy ankilany, nanao fanambarana ihany koa ny mpitandro filaminana  manoloana ny fanentanana olona mandeha amin’ny onjam-peo sasany ankehitriny, amin’io hetsika « fitsangantsanganana » karakarain’ny antoko mpanohitra io, izay hotanterahina ny Sabotsy izao. Manambara ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena omaly fa handray ny andraikitra ary hiditra an-tsehatra izy ireo raha misy mikasa hamerina ny 26 janoary 2009 indray amin’io andro io. Tsy azo ekena ny fanakorontanana, hoy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Raha tsiahivina, efa nanao fanambarana ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ny amin’ny handraisan’ny zandary fepetra amin’izay minia mamboly korontana eto amin’ny tany sy ny firenena. Nahatonga ny hetsika fandrobana tamin’ny taona 2009, hoy izy, dia ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra tamin’izany fotoana. Ankehitriny, vonona handray andraikitra sy hiaro ny vahoaka sy ny fananany ny mpitantana ka tsy hipetra-potsiny ny zandary.

Ny Fanoratana.

Fermer