PolitikaSongadim-baovao
FAMORIAM-BAHOAKA INIANA ATAO AO TOLIARA: Hetsika tsy nahazoana alalana, olona ampolony nosamborina
Ny zoma teo no efa nanao fanambarana ny Tomponandraikitra misahana ny fitandroana ny filaminana ao Toliara fa hetsika tsy nahazoana alalana ny famoriam-bahoaka nokasain’ny mpanohitra notanterahina omaly alahady. Nisy ihany anefa ireo olom-bitsy tonga nitarika savorovoro. Vokany, ampolony ireo voasambotra…
Fanaovana tatitra amin’ny vahoaka amin’ny maha Solombavambahoakan’i Toliara azy no antony noforonin’ny Mpanohitra mba hahafahana mitarika fanakorontanana any an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahazo alalana avy amin’ny OMC Toliara, tarihin’ny Prefe any an-toerana anefa io hetsika io, mba ho fitandroana ny filaminam-bahoaka. Mazava ho azy, tsy nanaiky mora foana an’izany ny Mpanohitra. Tsara ho fantatra fa efa saika tazana tao Toliara avokoa ireo Depiote mivondrona ao amin’ny Vondrona parlemantera “Firaisankina”.
Nisy indray, araka izany, ny fifanatrehana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo olona manao fihetsiketsehana. Nisy ny torabato ataon’ny mpanao fihetseketsehana. Vokany, voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomasina ireo mpitandro filaminana nanapariahana ny olona. Tao anatin’izany dia nisy indray ireo vondron’olona nandoro kodiarana, toy ny teo amin’ny biraon’ny lakarezina an’ny zandary. Tranga izay nanosika ireo tomponandraikitra nandray fepetra ary nisambotra ireo nanao fandikan-dalàna. Olona ampolony noho izany voasambotry ny zandary hatry ny omaly.
Andrasana ny fivoaran’ity toe-draharaha ao Toliara ity. Raha ny fandinihan’ny mpanara-baovao aloha dia karazana fanararaotana ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara nahazo vahana tao ho ao ity hetsika nokasain’ny fanoherana notanterahina ity. Etsy ankilany, azo heverina koa ny finiavana hanome endrika ratsy an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao noho ny handraisantsika ireo fihaonana an-tampony samihafa, ny zava-misy.
Ny Fanoratana.



