
PolitikaSongadim-baovao
FAMORIAM-BAHOAKA SY HETSIKA POLITIKA: « Tsy maintsy atao anaty efitrano hitandroana ny filaminam-bahoaka », hoy ny Minisitry ny Atitany
Hatramin’ny fiandohan’ny taona dia nanao sesilany ny hetsika politika sy famoriam-bahoaka samihafa ataon’ireo mpanao politika eto Madagasikara. Tranga izay anatin’ny lojika tanteraka noho ny maha taom-pifidianana ity taona ity. Nanamafy omaly ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, fa firenena mandala ny demokrasia i Madagasikara, ary malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintska, na izany amin’ny haino aman-jery, na amin’ny tambazotran-tserasera. Malalaka ihany koa ny famoriam-bahoaka ataon’ireo mpanao politika isan-tsokajiny eto amin’ny tany sy ny firenena.
“Misy kosa fepetra tsy maintsy hajaintsika satria mbola tsy amin’ny fotoan’ny fampielezankevitra isika amin’izao fotoana izao, fa mbola ho avy ny fotoana hahafaha-manao izany, araka ny lalàna”, hoy ny Minisitra Tokely Justin. Tsy maintsy apetraka, hoy izy, ny fepetra satria mila tandrovina hatrany ny lafiny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana, ary tsy maintsy atao koa izay tsy hanelingelenana ny asa sy ny fiainana andavanandron’ny mponina. Tsy tokony ho voatohintohina ihany koa ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, izany hoe, ny fifamoivoizana. Noho izany, ny famoriam-bahoaka sy ny hetsika ara-politika dia tsy maintsy atao ao anaty efitrano. Izany no natao dia mba hahafahana mitandro mandrakariva ny filaminam-bahoaka. Ary koa mba tsy hisian’ny fanelingelenana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka.
Etsy ankilany, tsy maintsy hajaina koa ny voalazan’ny didy hitsivolana izay mifehy ny resaka famoriam-bahoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. “Io fepetra io dia mihatra ho an’ny antoko politika rehetra tsy ankanavaka sy mpanao politka rehetra tsy ankanavaka. Na antoko miaraka amin’ny Fitondram-panjakana, na antoko tsy miaraka amin’ny Fitondram-panjakana”, hoy ny Minisitra tomponandraikitra. Tsy azo atao intsony, araka izany, ny manao hetsika ara-politika na famoriana olona eny ankalamanjana, indrindra eny amin’ny tsena.
“Raha misy tatitra tian’ny depiote atao amin’ny vahoaka any aminy, dia tsy maintsy anaty efitrano no hanaovana an’izany fa tsy an-dalambe na ankalamanjana”, hoy ny fanazavana.
Etsy andaniny, ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka dia tsy voakasik’ireo voalaza ireo. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Atitany hatrany, ireo tomponandraiki-panjakana dia natao hanatanteraka ny politikam-panjakana amin’ny resaka fampandrosoana , sosialy sy ny sisa. Noho izany, tsy voafetra amin’ny toerana hahafahana manatanteraka hetsika izy ireo.




