PolitikaSongadim-baovao
FAMORIAM-BAHOAKA TSY NAHAZOANA ALALANA: Handray fepetra henjana ho an’ireo manao fandikan-dalàna ny Emmo/Nat
Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasana ny hanakorontana ho an’ny andron’ny 25 septambra, eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, dia hentitra ny mpitandro filaminana nilaza fa handray fepetra hentitra ho an’ireo minia manao fandikan-dalàna.
Manoloana ireo fihantsiana samihafa sy fikasana ny hanakorontana ho an’ny andron’ny 25 septambra, eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, dia nanao fanambarana ny mpitandro filaminana mivondrona ao anatin’ny Emmo/Nat, izay ahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena ary ny avy ao amin’ny Tafika malagasy. « Mametraka hatrany ho zava-dehibe ny fitandroana filaminana sy fahafahan’ny tsirairay miatrika am-pitoniana ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro, ho tombontsoa ambonin’ny Firenena, sy ho amin’ny besinimaro », hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. Mampahafantatra hatrany izy ireo, fa tsy nahazo alalana ny hetsika famoriana atao anio, 25 septambra ho tanterahina eny Ambohijatovo. Tsy niolaka ny avy ao amin’ny Mpitandro filaminana nanambara fa fandikan-dalàna ny fanatanterahana io famoriam-bahoaka io. Nomarihin’izy ireo hatrany fa manohintohina ny filaminam-bahoaka sy ny fahafahan’ny tsirairay mivezivezy izany famorian’olona izany, ka miendrika ho ambana mitarika herisetra. Mitsinjo hatrany ny tombontsoa iombonana ny mpitandro filaminana, ka miaro ny ain’ny olona sy ny fananany, indrindra ireo fotodrafitrasa sy ireo andrim-panjakana.
Mikendry fanakorontanana mafy…
Nentanin’ny avy ao amin’ny Emmo/Nat ny vahoaka malagasy, mba ho tony sy tsy ho voataona amin’ny herisetra, amin’ny endriny samihafa. Nanteriny fa handray fepetra hentitra ny mpitandro filaminana ho an’ireo izay mihoa-pefy, ho fisorohana ary ho fahamaizana, amin’ireo izay minia manao fandikan-dalàna. Tiana ny manamarika fa efa nilatsaka ny sarontavan’ireo mpanohitra, te hanakorontana mafy. Manonofy ny zava-nisy tany Népal mafy izy ireo, miparitaka ny vola, mandeha ny fampihorohoroana ara-tsaina marobe, efa manomboka alefa tsikelikely ny hoe « miala, miala », araka ny hita any anaty tambazotran-tserasera ara-tsosialy Facebook. Teti-dratsin’ireo mpanakorontana, araka izany, ny hanimba sy hanakorontana, ary mikendry ny handoro ny tranon’ireo olona ao anaty fitondram-panjakana mihitsy no tadiavin’izy ireo. Hihevitra ve ireo mitonona ho mpanohitra fa raha korontanina sy potehina daholo ny zavatra rehetra dia hivaha ho azy eo ny olan’ny delestazy sy ny rano? ».
Ny Fanoratana




