Songadim-baovaoSosialy
FAMOSAVIANA TENY AMBOHIMALAZA : “Efa hita taratra izay mety ho nahavanon-doza”, hoy ny Filoha
Nanisy resaka manokana mahakasika ilay raharaha fanapoizinana nandritra ny fankalazana tsingerin-taona teny Ambohimalaza ny faran’ny herinandro teo, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavi-pirenena omaly. Nambarany fa “Tsy azo avela mandalo fotsiny amin’izao fa tsy maintsy saziana farak’izay mafy ny olona nahavanon-doza tamin’ilay famosaviana niseho teny Ambohimalaza ». Noho ny tsy fahafahantsika manao ny fitiliana hatramin’ny farany dia alefa any ivelany ireo sakafo hanaovana fitiliana lalina hahafantarana ny poizina nampiasaina tamin’ny fanapoizinana.
Nampahafantarin’ny Filoha Andry Rajoelina kosa omaly fa efa hita taratra ny mety nahavanon-doza tamin’iny raharaha iny, niainga tamin’ny fanadihadiana natao. Tsy nanome antsipiriany moa ny Filoha tao anatin’ny fandaharana nataony omaly fa natsidiny fotsiny ny mety fisiana disadisam-pianakaviana ka mety heverina nahatonga izao habibiana goavana izao. Araka ny fanadihadiana mantsy dia efa nisy olona tao amin’io fianakaviana io efa matin’ny poizina ihany koa, taona vitsy lasa izay, ka heverina ho misy ifandraisany amin’izany ity tranga niseho ny sabotsy teo ity izay. Ny fizotry ny fanadihadiana ihany moa no tena hahafahana mamaritra izany, fa araka ny fanazavana dia efa tena miroso lalina izany famotorana izany ankehitriny.
Raha ny tarehimarika farany moa dia tafakatra 20 ireo namoy ny ainy tamin’ity raharaha ity, raha 54 ireo naiditra hopitaly. 25 kosa ireo mbola tavela ao amin’ny Hopitaly, 9 ireo efa sitrana soa aman-tsara.



