Songadim-baovaoSosialy
FAMOSAVIANA TENY AMBOHIMALAZA: Nitombo iray ireo namoy ny ainy, 24 mbola manaraka fitsaboana
Raha ny tatitry ny CHU HJRA, ny afakomaly lasa teo, hatramin’ny 9 ora alina, dia nitombo iray indray ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo niseho teny Ambohimalaza, herinandro mahery lasa izay. Miisa 25 ireo mbola manaraka fitsaboana, ka ny dimy amin’ireo efa tsara ny fahasalamany. Ny 20 ambiny kosa, mbola arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany, tsy mbola nisy no nivoaka tamin’izy ireo. Nitondra vatsy ho an’ireo marary miisa 25 niharan’ny fanapoizinana ara-tsakafo, mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA ny minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny farany herinandro lasa teo. Niara-dia tamin’ireo delegasiona notarihan’ny minisitra ny lehiben’ny ONG TAC sy ny METM nitrotro am-bavaka ireo marary rehetra.
Ankoatra izay, nomena vatsy koa ireo marary hafa ao amin’ny sampana vonjy taitra. « Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitsabo anatin’izao ady sarotra izao », hoy ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Aurélie Razafinjato. Tiana ny manamarika fa ilay tovovavy tompona tsingerintaona nankalazaina tamin’iny fotoana iny, dia mbola ao anaty sampana fameloman’aina. Mipetaka oksizena, tsy afaka miteny, tsy mahatsiaro tena, tsy afaka mamaly. Mbola tsy mahatsiaro tena, saingy mavaivay ny fanenjehana mahazo azy any anaty tambajotran-tserasera ara-tsosialy. Efa nisy moa ny olona naiditra am-ponja vonjimaika momba ity raharaha famosaviana tanaty lanonana fankalazana ny tsingerintaona nahaterahana ity.
Pierre M.




