PolitikaSongadim-baovao
FAMOSIRANA IREO MPANOLANA : « Manaja ny Lalàmpanorenana sy ireo fifanarahana iraisampirenena »
Tsy hihemotra amin’ny fampiharana ny sazy famosirana ho an’ireo voaheloka amina tranga fanolanana ny Fitondram-panjakana. Efa nisy rahateo ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay rafitra faratampony afaka mamaritra na mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny Lalàna iray na tsia.
« Ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC no rafitra faratampony miteny hoe mifanaraka na tsia amin’ny lalampanorenana ny lalàna iray », hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, omaly. Notsindriany fa rehefa niteny ny HCC fa mifanaraka amin’ny lalampanorenana ny lalàna vaovao nanovana ny andininy sasantsasany ao anaty fehezahan-dalàna famaizana (code pénal) mikasika ny fanasaziana ireo mpanao habibiana amin’ny fanolanana, indrindra ny zaza tsy ampy taona (prédateurs sexuels) dia tsy misy rafitra hafa intsony afaka miverina mametraka olana amin’izany indray na manao « remise en cause », na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.
Raha tsiahivina, isan’ny nambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina miasa sy monina eto amintsika, Ramatoa Isabelle Delattre, ny tsy fifanarahan’ny sazy famosirana amin’ny andininy faha-8 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy, izay milaza hoe, « … Tsy misy olona azo ampahoriana, saziana na ampijaliana amin’ny fomba tafahoatra sy tsy
mendrika manetry ny maha-olombelona… ». Nomarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy omaly fa tsy mifanipaka amin’ny andininy faha-8 ao anatin’ny lalampanorenana mikasika ny fandraràna ny fampijaliana olona na « actes de torture » io lalàna io. Ny fanapahan’ny HCC, raha tsiahivina, dia nilaza fa tsy maintsy hajaina ny antsipirihany amin’ny maha-raharaha ara-medikaly azy (opération médicale) mba tsy hisy fangirifiriana (douleurs ou souffrances aigues) rehefa manao ny famosirana (castration) an’ilay olona voaheloka tanteraka tamina asa fanolanana. Rehefa tsy misy fikasana hoe hanao fanahiniana hampangirifiry ilay olona hovosirana ary indrindra rehefa sazy voalazan’ny lalàna (sanction légitime) dia tsy « torture », tsy « traitements inhumains, cruels ou dégradants », araka ny famaritan’ny fifanarahana iraisampirenena sy ny lalampanorenantsika izay.
Zon’ny zaza voaolana sa ny zon’ny mpanolana ?
Nampahafantarin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly koa fa ny fiarovana ny zaza dia sady voalazan’ny lalàna iraisampirenena (conventions internationales des droits de l’enfant) ao amin’ny andininy faha-34 no iantohan’ny lalampanorenantsika ao amin’ny andininy faha-21. « Iza no ambony ny zon’ny zaza voaolana sa ny zon’ny mpanolana? », hoy indrindra izy nametraka fanontaniana. Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Adidin’ny Fanjakana ny miaro ny zaza rehetra ao aminy, ka mandray izay fepetra rehetra ahafahany manao izany fiarovana izany.
Ny tanjona dia ny tsy hamerenan’ireo mpanolana mpanao habibiana ireo ny filàn-dratsiny intsony. Izany indrindra no nahatonga ny HCC niteny fa atao « castration chirurgicale » mihitsy ireo voaheloka amin’izay mandrakizay tsy manana filàna ara-nofo intsony ilay olona, fa raha « castration chimique » dia vonjimaika ihany ka mbola mety afaka mamerina ny habibiany indray ilay olona rehefa avy nisazy.
Marihina fa mbola miandry ny Didy fampiharana sy ny fampananan-kery avy amin’ny Filohan’ny Repoblika vao mihatra ity lalàna ity.




