Songadim-baovaoToekarena

FAMPAHAFANTARANA EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA : Hanampy tosika an’i Madagasikara ny Emirates

Mahaliana ireo matihanin’ny fizahantany any amin’ny faritr’i Moyen-Orient i Madagasikara. Io no nivoitra nandritra ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny hetsika salon ATM (Arabian Travel Market), notanterahana nanomboka ny 28 aprily ka nifarana omaly 01 mey 2025 tany Dubaï. Nandritra ireo efatr’andron’ny hetsika ireo dia nisongadina ny fametrahana fifanarahana stratejika eo amin’i Madagasikara sy ny Emirates. Fifanarahana mifototra amin’ny fampiroboroboana hatrany ny sehatry ny fizahantany eto amin’ny nosintsika. Tontosa tamin’ny alarobia lasa teo, araka izany, ny fifanaovan-tsonia ho mariky ny fiaraha-miasa, nataon’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana Viviane Dewa, sy Atoa Essa Sulaiman Ahmad “Vice-Président Principal des Opérations Commerciales d’Asie de l’Ouest et de l’Océan Indien” an’ny Emirates.

Hanampy tosika hatrany ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, noho izany, ny Emirates. Teboka hiasana ao anatin’ny fiaraha-miasa ny fandrafetana paikady hampahafantarana ny nosintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fikarakarana fitsidihana mba hampahafantarana an’i Madagasikara amin’ireo matihanin’ny fizahantany. Ankoatra io dia hanetsika ireo mpikarakara dia sy mpiara-miasa maro aminy maneran-tany ny Emirates mba hampiakatra hatrany ny tolotra mankaty amintsika. Miara-dalana amin’io, hanolo-tanana amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotr’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny tolotra fitateran’entan’ny Emirates SkyCargo. Ny fahatontosan’ireo rehetra ireo moa dia hanampy betsaka an’i Madagasikara ao anatin’ny fanatanterahana ny vina fanatrarana 1 tapitrisa mpizahatany hatramin’ny taona 2028.

Tsiahivina fa fahombiazana hatrany ankehitriny izay fifandraisantsika amin’ny Emirates izay. Raha toa ka sidina 2 isan-kerinandro no niantombohan’izy ireo natao teto Madagasikara tamin’ny volana septambra 2024 dia efa tafiakatra sidina 6 isan-kerinandro izany ankehitriny, ary mbola hitombo indray izany atsy ho atsy. Mitombo ny sidina satria miakatra hatrany ihany koa ny tinady amin’io fifandraisana io. Marihina fa mampifandray firenena an-jatony maneran-tany ny sidin’ny Emirates ary tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fiarahana miasa aminy.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer