Songadim-baovao
FAMPANANTENAN’NY FILOHA : miverina misokatra indray ny Zotran-dalamby Fianarantsoa Côte Est
Miverina nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa amin’ny Faritra Fitovinany, ao Manampatrana. Nohavaozina ary efa vita avokoa ny ankamaroan’ny gara fiantsonana amin’ny kaominina rehetra andalovan’izany zotra FCE izany. Tany an-toerana ny Filoha nanamarika izany…

Miverina ny zotra an-dalamby FCE na Fianarantsoa Côte Est mampitohy an’i Fianarantsoa amin’ny Faritra Fitovinany. Ny Filoha Andry Rajoelina niaraka tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Valerie Ramonjavelo no tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa, omaly. Niverina nisokatra ny fitaterana entana sy ny fitateran’olona, araka izany. Vita ireo asa fanarenana sy fanamboarana natao. Nandritra ny taona maro no nikatso ny zotra FCE. Niezaka nitondra vahaolana tamin’izany ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina. Nambaran’ny Filoha « fa zava-dehibe ny famerenana ity zotra an-dalamby FCE ity noho izy lalandrà mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny Faritra Fitovinany, mandalo amin’ireo Kaominina marobe ao anelanelany ». Ny lalamby mantsy, hoy izy, no lalana ahafahana mamoaka ny vokatra, ny lalamby no anisan’ny mampiaina sy mampihodina ny sehatra ara-toekarena, amin’ireo toerana rehetra nolalovany. Notsiahivin’ny Filoha, fa nanomboka ny taona 1936 nisokafany, zara raha nisy ny fikojakojana natao tamin’ity fitaterana an-dalamby ity. Nandritra izao fitondrana izao kosa no nijerena akaiky izany indray. Ankoatra ny fanamboarana ny lalamby, ny fividianana ireo lohamasinina sy ny maro hafa, anisan’ny asa natao koa ny fanamboarana ireo fiantsonana na « gare » rehetra lalovany. Anisan’ny nanomezan’ny Filoha toromarika manokana ny hanamboarana ny fiantsonana ao Fianarantsoa. Mbola hisy koa ny fijerena lohamasinina vaovao, mba tsy hahatapatapaka intsony ny fitaterana.
Hisy fitaterana intelo isan-kerinandro…
Intelo isan-kerinandro no hisy ny zotra mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manampatrana amin’izao fiverenany izao indray, toy izany koa rehefa hisokatra ny hatrany Manakara, manomboka ny volana jona. Tsy hifanalavitra amin’ny saran-dalana teo aloha ny saran-dalana, na misy ary ny fanavaozana kely natao. Araka izany, ho mora lavitra noho ny fitaterana entana amin’ny alalan’ny kamiao, ny fitaterana entana amin’ny lamasinina ary tsy hifanalavitra amin’ny taksiborosy ny fitaterana olona amin’ny lamasinina, izay hahatratra ireo tanàna mitoka-monina tsy tongan’ny fiara hatrizay. Ny tanjona, ny mba hahaleo tena tanteraka ity zotra an-dalamby FCE ity amin’ny resaka ara-bola, izany hoe, afaka mamelo-tena aoriana kely ao. Raha tsiahivina, ny taona 2021, nisy ny lohamasinina miisa efatra natolotry ny Filoha. Teo koa ny « train voyageur » miisa efatra. Tamin’izany ny tenany no efa nampanantena hamerina ity zotra an-dalamby ity indray.
Ny volana Febroary 2023, vantany vao tonga teo amin’ny fitantanana ny ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny minisitra Valérie Ramonjavelo sy ny ekipany, dia anisan’ny fitsidihina voalohany nataony, ny tao amin’ny FCE Fianarantsoa. Nijery ny vahaolana maika ahafaha-mamelona sy mamerina izany haingana. Izay rahateo no fifanarahana nifanaovan’ny minisitra tamin’ny Filoha, ny hamelomana ireo zotra an-dalamby eto Madagasikara fa indrindra ny FCE. Tao anatin’izany ny fandoavana ireo karaman’ny mpiasa sy ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo fisotroan-drononon’ireo mpiasa, izay tsy voaloa. Natsangana tamin’izany ny Komity fanarenana ny FCE na ny « Comité de redressement ». Teo koa ny fiaraha-mitantana, izay nanankinana ny fanarenana ny orinasa. Telo volana aty aoriana, nahitam-bokany ny ezaka natao, hiverina ny zotra an-dalamby FCE. Nambaran’ny minisitra tao anatin’ny lahateniny ireo asa rehetra natao tao anatin’izay telo volana izay. Ny volana aprily, efa nisy ny zotra nampitohy an’i Fianarantsoa sy Sambavy, izay nantsoina hoe « train Pascal ». Olona anarivony no nentiny tamin’izay. Amin’izao fanombohan’ny fiverenany izao, hiainga ao Fianarantsoa ary ho tonga hatreo Manapatrana ny lamasinina. Amin’ny volana jona kosa no ho tonga hatrany Manakara izany. Efa tonga any Manakara rahateo ny « Draisine » hanokatra ny lalana sy hikojakoja ireo lalamby.




