Songadim-baovao

Fampanantenan’ny Filoha tao Ihosy : Tonga ny fanampiana ireo Masera miahy ireo sahirana

Nandritra ny fandalovan’ny Filohan’ny Repoblika tany Ihosy, dia nampanantena ny tenany ny hanampy an-dry Masera « Fille de la Charité » ao an-toerana. Tonga afakomaly ny fanampiana ho an’ireo ankizy zahirana sy ireo voafonja tsy misy mpiahy. Nisolo tena ny Filoha ny Governoran’Ihorombe, Nomenjanahary André Tafita Sareine…

Ny Governoran’ny Farita Ihorombe no nisolo tena ny Filoha.

Araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny fandalovany nitsidika ireo Masera « Fille de la Charité » ao Ihosy, dia tonga afakomaly ny andiany voalohany amin’ny fanomezana avy aminy, ho fanampiana ireo Masera miahy ireo ankizy sahirana sy ireo vaofonja tsy misy mpiahy. Nisolo tena ny Filoham-pirenena nanolotra izany, ny Governoran’Ihorombe, Nomenjanahary André Tafita Sareine. Fotsimbary 6250 kg, menaka sakafo 180 litatra, siramamy 250kg, katsaka voatoto 600 kg. Miampy savony 10 baoritra, « gel désinfectant » 15 tavoahangy, arotava miisa 150. Nankasitrahan’ireo Masera mitantana ny Ivontoerana ara-tsosialy « Ste Catherine Labouré » ao Ihosy izao fanehoam-pitiavana izao. Mipaka amin’ireo tena mila azy ireto fanomezan’ny Filoham-pirenena ho an’ny Ivon-toerana ara-tsosialy tantanan’ireo « Soeurs Fille de la Charité » ao Ihosy ireto.

 

Efa tonga ny ampahany amin’ilay fanampiana nampanantenanin’ny FIloha azy ireo.

Mpianatra miisa  170 avy amina sekoly maro ao Ihosy no anokonan-dry Masera vary 100 kapoaka isan’andro ao amin’ny « cantine ». Voafonja tsy misy mpiahy, marary, Zokiolona,  miisa 100 eo ho eo, no omen’izy ireo sakafo masaka intelo isan-kerinandro. Nankasitrahan’izy ireo, ny Filoham-pirenena, izay nitsinjo manokana azy ireo. Ankoatra ny fanampiana notanterahin’ny Filoha, tany an-toerana, dia tsy latsa-danja koa ny nataon’ireo Fikambanan’ny mpiompy omby sy mpivarotra ary mpihirakely (F3M) ho fanampiana ny mpiara-belona. Nanome ny anjarany ho fanasoavana ny mpiara-belona. Arotava miisa  500, savony 24 baoritra, « gel désinfectant » 36 tavoahangy, gazoala 150 litatra. Ireo mpandraharaha omby mivondrona ao amin’ny F 3M avy ao Ihosy, Betroka, Benenitra, Fotadrevo, Berenty, Matsiatra Ambony sy Antananarivo no nahazoana ireo. Nankasitraka azy ireo ny Goverinoran’Ihorombe, tamin’ny anaran’ny CRCO Ihorombe.

Fermer