PolitikaSongadim-baovao

FAMPANDEHANANA NY RAHARAHAM-PIFIDIANANA: Nanolotra 4,5 miliara Ariary ny Governemanta japoney

Mitombo hatrany ireo mpiara-miombona antoka mifanome tanana amin’i Madagasikara ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Omaly, ny Governemanta japoney indray no nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ka nanolotra lelavola mitentina 4 500 000 000 Ariary izay natokana hividianana fiara sy moto cross hampiasain’ny Ceni.

Lelavola mitentina 4.500.000 .000 Ariary no natolotry ny Governemanta japoney tamin’ny alalan’ny Masoivohony eto Madagasikara, izay natokana hividianana fiara tsy mataho-dalana miisa 10 sy moto cross 148 hampiasaina eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) foibe sy ireo rantsamangaikany. Ny fahatsapan’ny Governemanta Japoney ny filàn’ny Ceni eo amin’ny lafiny fitaterana amin’ny fanomanana sy ny fanaraha-maso ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika 2023 no nanosika azy ireo hanao izany fampitaovana izany, araka ny tatitra. « Hihatsara kokoa ny fanatanterahan’ny Ceni sy ireo ratsamangaikany ny asa noho ny fisian’ireto fitaovam-pitaterana izay mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hanampy azy ireo amin’ny fanatanterahana ny raharaham-pifidianana izany », hoy ny Masoivohon’i Japana miasa sy monina eto Madagasikara, Abe Koji. Raha ny fanazavana dia avo telo heny ity fanohanana nomen’ny Governemanta japoney omaly ity, raha oharina tamin’ny fanohanana nataon’izy ireo nandritry ny Fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 2018.

Omaly no tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa mahakasika ny fampandehanana ny raharaham- pifidianana teo amin’ny Governemanta Japonais sy ny Ceni.

Manampy ireo fanampiana efa azo

« Mba hiatrehana ireo asa lehibe miandry sy hanatanterahana ny vina izay napetraky ny Ceni : « zotram-pifidianana tsara homana, handraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy filaminana » dia manao ny ezaka rehetra ny CENI miaraka amin’ireo mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola », hoy ny fampitam-baovaon’ny Ceni. Anisan’izany izao fanampiana avy amin’ny Governemanta japoneny izao.

Raha tsiahivina dia manampy ny fanohanan’ny Vondrona Eoropeanina, i Frantsa, ary i Alemana amin’ny alalan’ny kitapom-bola iombonana « basket fund » amin’ny tetikasa RPEDEM (Renforcement des processus Electoral et Démocratique à Madagascar) ity fanampian’ny Japana ity. Araka izany dia manana tokinaina hatrany ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) amin’ny fitohizan’ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana ho avy.

Fermer