PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FAMPANDROSOANA AN’ANALANJIROFO: Vita ny 95%-n’ny oniversite manarapenitra ao Fenoarivo Atsinanana
Roa andro taorian’ny nijoroan’ny Governemanta amin’ny endriny vaovao, “tsy misy andraso andraso ny asa fanarenana sy fampandrosoana ny Firenena”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nanamarina izany ny fihazoany avy hatrany ny Faritra Analanjirofo omaly, niaraka tamin’ny delegasion’ny Fitondram-panjakana maromaro. Fotodrafitrasa maro no efa vita sy notokanana tany an-toerana. Tsy vitsy ihany koa ireo efa andalam-pahavitana, toy ny Oniversite manarapenitra.
Nanamarika ny ny fitsidiham-paritry ny Filoha Andry Rajoelina tao Fenoarivo Atsinanana, Analanjirofo, ny fitsidihina ny fandrosoan’ny asa fananganana ny oniversite manarapenitra voalohany ao an-toerana. Vita hatrany amin’ny 95% ny asa fanamboarana ny Oniversite manarapenitra amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana. Goavana, mijoalajoala sy moderina ny fotodrafitrasa. « Tsy oniversite fotsiny no natsangana fa natao ho Campus universitaire mihitsy mba hahafahan’ny ankamaroan’ny mpianatra mahazo trano fonenana manakaiky ny toeram-pianarana », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mendrika oniversite manarapenitra an’Analanjirofo, hoy izy. Manarapenitra, araka izany, ny fotodrafitrasa sy sampandraharaha rehetra misy ao an-toerana, toy ny toeram-pianarana, “laboratoire”, “espace vert”, toeram-patoriana. Hahazaka mpianatra 1 500 isa ny Oniversite, tahaka ny oniversite manarapenitra apetraka isaky ny Faritra 23 eto Madagasikara. Hampifanarahana amin’ny filàn’ny tanora ny taranja hampianarina ao an-toerana, raha ny fanazavan’ny Filoha. Ho fampiakarana ny lentan’ny fampianarana, sy ho famaliana ny hetahetan’ny mpianatra malagasy maro maniry hianatra any ivelany, hanafatra mpampianatra mampianatra amin’ny oniversite ambony any ivelany ny Filoha ka isany hisitraka izany fampianarana izany ny oniversite ao Analanjirofo, raha ny fanazavana hatrany.
Lalana ao Ampasimbe
Tao anatin’izao diany ao Analanjirofo izao, dia ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Manantsatrana, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no nandehanan’ny Filoha Andry Rajoelina voalohany. Notokanany tamin’izany ny lalana tara mirefy roa kilaometatra sy dimampolo sy efajato metatra miainga eo amin’ny PK40 eo amin’ny sampanana Ambatoniagara mifampitohy amin’ny lalampirenena fahadimy. Lalana nampitaraina ny vahoaka efa nandritry ny telopolo taona ny lalana. Fotaka sy fasika ary lavadavaka ny lalana teo aloha. Tsy misy mety mandeha amin’ny lalana ny fiara fitaterana sy ny posiposy ary ny bajaj. Vita tara tanteraka ny lalana amin’izao fotona izao ka afa-pahasahiranana ny vahoaka ao an-toerana. Tsy nohadinoin’ny Filoha Andry Rajoelina ny nitondra fanampiana ho an’ny vahoakan’i Fenoarivo- Atsinanana. Fianakaviana miisa 300 no nozaraina fanampiana tao amin’ny Kianjan’Ambatofotsy, Fenoarivo Atsinanana.
CSB II ao Betampona
Nanainga nankany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betampona, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo ny Filoha Andry Rajoelina hitokana ny CSBII voalohany ao an-toerana. Misy mponina 11000 mahery eto amin’ity kaominina ity ka ny 70% amin’ireo dia zaza amam-behivavy avokoa. Ny lafiny fitsaboana no tena olana goavana nosedrain’ireo mponina tao anatin’ny taona maro. Tsy nisy ny toeram-pitsaboana ao amin’ny kaominina ka mila mandeha kilometatra maromaro vao mahazo fitsaboana sahaza ny mponina. Amin’izao fotoana izao, tafapetraka ao amin’ny kaominina Betampona ny CSB II manaram-penitra. Ahitana ny fitaovana sy ny karazam-pitsaboana rehetra ilain’ny mponina ao amin’ny CSBII. Misy fandriana miisa 7 afaka handraisana marary sy mpiteraka. Misy efitra fampiterahana, ny toerana fandraisana marary na ny salle de consultation, ny toerana fanaovana vaksiny miaraka amin’ny vata fampangatsiahana fitehirizana izany, ny toeram-pivarotana fanafody sy ny maro hafa. Mpitsabo 1, miampy Paramed 3 no hiasa ampiodina ny CSB II ao Betampona. Ireo mponina ety an-toerana kosa no mifandamina ny amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fikojakojana ny fotodrafitrasa sy ny fiambenana izany.
Fotodrafitrasa vitsivitsy notokanana
Notokanan’ny Filoha omaly koa ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ho an’ny Faritra Analanjirofo. Endriky ny fahefam-panjakana sy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna ny fametrahana ny fotodrafitrasa, raha ny fanazavana. Manana velarana 980m2 ny fotodrafitrasa ary natsangana amin’ny velarantany mirefy 3400 m2. Tombony amin’ny fahazoana ny biraom-paritry ny Filaminambahoaka ny famerenana ny fandriampahalemana amin’ny halatra vokatra fanondrana toy ny lavanila sy ny jirofo. Ankoatra izay, nitokana ny tetezana SOCOFEN tao Sahavola ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina. Ankoatry ny famerenana amin’ny laoniny ny fivezivezena, mampitohy toerana manome endrika ny tanana sy misintona mpizahantany ny tetezana vita. Mirefy 15 metatra ny tetezana. Natao béton manontolo. Tetsy ankilany, nitokana ny biraon’ny paositra malagasy nohavaozina tanteraka ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina izay tafiditra ao anatin’ny tanjony hanao an’i Madagasikara ho moderina.




