PolitikaSongadim-baovao

FAMPANDROSOANA ENY IFOTONY: Efa nirosoana ny dingana fametrahana ny fitsinjaram-pahefana

Efa ao anatin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tanteraka isika eto Madagasikara ankehitriny tamin’ny alalan’ireo fanapahan-kevitra marolafy efa noraisina tato anatin’ny efa-taona teo ho eo izay. Ankehitriny, anatin’ny fandrafetana ny politika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana miabo isika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena mifandraika amin’izany izay tontosaina eny Ivato manomboka anio, ary hitohy rahampitso.

Finiavana politika lehibe avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, fony izy vao tonga teo amin’ny Fitondrana, ny nanovana ho Governora ireo Lehiben’ny Faritra teo aloha. Tsy fanovana anarana fotsiny ihany anefa izany, fa fampitomboana ny fahefan’ireo Governora izay tomponandraikitra voalohany eny anivon’ny Faritra, izay miisa 23 manerana ny Nosy ankehitriny. Nanambara ny Filohan’ny Repoblika, fa afaka mandray fanapahan-kevitra mivantana amin’izay famahana ny olan’ny mponina sy momba ny asa fampandrosoana any ifotony ny Governora, fa tsy voatery hiandry ny aty amin’ny Fanjakana foibe intsony.

Mbola nanamafy izany fahavononana politika izany rahateo ny nanomezana tetibola 2 miliara ariary isaky ny Faritra izay hampiasaina amin’ny asa fampandrosoana any ifotony, indrindra ny fanamboaran-dalana izay lalan-dra manodina ny toekarem-pirenena. Tanjona ao anatin’izany ny mba tsy hahatonga ny fahefana ivangogo aty amin’ny Fanjakana foibe intsony, fa mba afaka mandray fanapahan-kevitra hahafahana mampandroso ny tanànany ireo tomponandraikitra any ifotony.

Tato anatin’ny herintaona teo ho eo ihany koa izay dia niroso tamin’ny fanomezana kodiaran-droa ho an’ireo Ben’ny tanàna manerana ny Nosy ny Fitondram-panjakana. Amin’ny maha tomponandraikitra akaiky ny vahoaka ny Ben’ny tanàna dia mila fitaovam-pitaterana izy ireo hahafahany manao fitsidihana ny vahoaka iandraiketany. Natao indrindra hanamorana ny fivezivezen’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany, noho izany, no antom-pisian’ireo kodiaran-droa ireo. Toy izany ihany koa ny momba ireo fiara tsy mataho-dalana natolotry ny Filoha ho an’ireo Lehiben’ny Distrika manerana ny Nosy.

Ampahany tamin’ireo dingana efa vita ihany ireo. Na dia mbola tsy feno tanteraka aza anefa dia azo atao ny milaza fa nahavita dingana i Madagasikara amin’ny fametrahana izany fitsinjaram-pahefana izany. Ity farany izay tsy ho tanteraka ao anatin’ny andro vitsy rahateo fa mila fotoana ny fametrahana azy.   

Politikan’ny fitsinjaram-pahefana miabo

Nitarika ny fivoriana momba ny fandrafetana drafi-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nambarany teny am-piandohana fa fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampivelarana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana miabo, na ny eny ifotony, na aty amin’ny foibe. Mila finiavana, hoy izy, ny fametrahana an’izany, ary efa naneho ny fahavononana amin’izany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Governemanta nandritra an’izay fotoam-pitantanana izay. Hita taratra izany tamin’ny alalan’ny fampitombona ny tetibola sy ny fanomezana fahefana mandray fanapahan-kevitra, ho an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony. Atolotry ny kaomity ho ankatoavina mandritra ny fihaonambe nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana ny drafitra manomboka anio.

Ny Fanoratana.

Fermer