
PolitikaSongadim-baovao
FAMPANDROSOANA: Hiara-hiasa amin’ny Ben’ny tanàna rehetra ny Faritra Analamanga
Fanehoan-kevitra politika voalohany nataon’ny Governoran’Analamanga, sady Sekretera nasionalin’ny TGV, Hery Rasoamaromaka, omaly, taorian’ny naha tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Harilala Ramanantsoa teo amin’ny toerany. Nambarany fa ny Faritra Analamanga dia 100% iara-hiasa amin’ny Ben’ny tanàna vaovao, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Notsiahiviny ny maha zava-dehibe ny nametrahana olona afaka hiara-hiasa amin’ny Fanjakana foibe. Ankehitriny dia nahazo ny maro an’isa ireo Ben’ny tanàna IRMAR sy Tsy miankina.
“Araka izany dia efa lany ny Filoha, nahazo maro an’isa tamin’ny Depiote, ary mbola maro an’isa koa ireo Ben’ny tanàna miara-dalana amin’ny Fitondrana, midika izany fa tsy maintsy handroso Madagasikara, tsy maintsy handroso Antananarivo”, hoy i Hery Rasoamaromaka.
Nohantitranterin’ny Governoran’Analamanga omaly fa tsy fotoanan’ny korontana intsony izao. Raha nisy halabato, hoy izy, dia afaka nitory momba izany ny Mpanohitra, saingy tsy nanana porofo tamin’izany izy ireo dia antony hafa indray no nitoriana teny amin’ny Fitsarana. Ny resaka “ordonnance” koa no asian’ny mpanohitra resaka hatrany nefa na i Tojo Ravalomanana aza dia tsy afaka nirotsa-kofidiana ben’ny tanàna raha tsy tamin’ny alalan’ny ordonnance, satria izy dia tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana. Amin’ny ankapobeny, araka izany, dia fiampangana tsy misy mitombina no hanenjehan’ny mpanohitra ny Fitondram-panjakana sy ny Ben’ny tanàna ankehitriny.
Omaly, nahitsy ny Governoran’Analamanga raha nilaza fa efa nihena ny fitiavan’ny olona ny TIM. Ny voka-pifidianana teto Antananarivo no nanamarina izany, hoy izy. Satria raha nitombo ny mpifidy ny IRMAR teto an-drenivohitra, dia lasa nihena ireo mpifidy TIM tamin’ny kaominaly farany teo. Nambarany fa ny nahatonga ny tsy fahombiazan’ny IRMAR tao amin’ny boriborintany faha-3 tamin’ny fifidianana solombavambahoaka dia noho ny fizarazaran’ireo mpomba ny fitondrana tao an-toerana. Nahitsy izany tamin’ny kaominaly teo, ka nohamafisina ny firaisantsainan’ireo mpanaradia ny filoha, ary nahitam-pahombiazana.




