PolitikaSongadim-baovao
FAMPANDROSOANA IFOTONY : Zava-dehibe ny fananana Ben’ny tanàna mitovy fomba fijery amin’ny Fanjakana
Nisongadina tao anatin’ny fandraisam-pitenenan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, nandritra ny diany tany amin’ny Distrikan’i Faratsiho ny faran’ny herinandro teo, ny maha zava-dehibe ny fananana mpitantana ny tanàna afaka miara-miasa amin’ny Fanjakana foibe sy mitovy fomba fijery amin’ny Fitondrana, mba hanafaingana ny fampandrosoana. Raha avy amin’ny fanoherana, hoy izy, dia tsy hitovy fomba fijery amin’ny Fanjakana mihitsy. « Sarotra ny hametrahana fandrindrana ny amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony raha toy ka tsy mitovy fijery amin’ny fanjakana no mitantana. Sarotra ny ampitana ny tena filan’ny vahoaka eny ifotony. Izay no maha zava-dehibe ny tokony hametrahana olona afaka miara-miasa amin’ny fanjakana », hoy ny fanazavany. Notsindriany fa tsy misy tombonsoa ho an’ny vahoaka mihitsy raha toa ka hihazakazaka hametraka fitokisana amin’ny fanoherana.
Porofon’izany, araka ny nambarany, ny zava-nisy tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka. « Efa-bolana tsy nisy zavatra nihetsika taty faratsiho. Ny tena izay niniana noresena indray aza no manao asa fampandrosoana maro. Satria miaraka amin’ny fitondrana”, hoy ny fanazavana.
Notontosaina omaly alahady moa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidà ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Antsapanimahazo, izay miara-dalana amin’ny fitondram-panjakana, andriamatoa Gérard Rafidison, sy ny ao amin’ny Kaominina Faravohitra, andriamatoa François Rakotoroalahy. Nanentana ny vahoaka mba hahay hametraka ny safidiny tsara Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy amin’ity fifidianana Kaominaly ity, ary mba tsy hamerina ny hadisoana tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka intsony.
Nandritra ny fotoana omaly ihany koa moa no nandraisana ny fahavitan’ny tambohon’ny kianja filalaovam-baolina ao Antsapanimahazo, sy ny jiro fanazavana ny tanàna ao amin’ny Kaominina Faravohitra.




