PolitikaSongadim-baovao

FAMPANDROSOANA NY TANY NIAVIANA : Mijoro sy miray hina ny zanaka ampielezan’ny kaominina Ambohiborona Ambatofotsy Faratsiho

Ambohi-pihaonan’ireo zanaka ampielezan’ny kaominina Ambohiborona Ambatofotsy Faratsiho (ZAKAAF) ny alahady teo, tetsy Anosizato. Fotoana izay nanaovan’izy ireo fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Teo ambany fiahian’ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy ity fotoana ity. Ny tenany izay napetrak’ireo mpikambana ho Filoham-boninahitry ny fikambanana. “Nampihetsi-po ahy loatra ny fihaonana tamin’ireo zanaka ampielezan’ny kaominina Ambohiborona Ambatofotsy Faratsiho. Satria tena tsapako ny firaisankina sy ny fahavononana hanambatra hery hampivoarana ilay tanindrazanay iny », hoy izy tao anatin’ny fanehoan-keviny.

Notsindriany fa ny ZAKAAF dia zanaka ampielezana tsy manaiky hozarazarain’ny loko politika, na ireo mpamendrofendro ao amin’ny tambajotran-tserasera izay tsy mahita ny zava-bita rehetra nataon’izy ireo any an-toerana akory, sady tsy nitondra na tapa-biriky iray ho an’ilay tanàna akory fa baikon’ny fankahalana fotsiny. “Tena faly aho nahita omaly fa tsy araky ny resabe amin’ny fb ataon’ireo milaza ho zanak’iny kaominina misy anay iny mihitsy ny fitiavana sy ny firaisampo nasehon’ireo zanaka ampielezana maro tonga namaly ny antson’ny mpikarakara. Tsy mandaitra ny fanaratsiana ataon’ireo fahavalon’ny asa fampandrosoana rehetra ataonay any an-tanànanay any”, hoy ny fanehoan-keviny.

Nandritra ny lanonana ny alahady teo, araka izany, no nanomezan-dRamatoa Loholon’i Madagasikara toky ny hanohizana ireo asa fampandrosoana maro efa natomboka sy efa vita any amin’ity Kaominina niaviany ity. “Hanohy ny asa isika, hiaraha-mahita eo fa « ny asa vita tokoa ny ifampitsarana », hoy izy. Tsara ho fantatra fa anisany efa dian-tanan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanàna, ny fanamboarana ny CEG an ndry Masera, ny Poste avancé an’ny zandary, sy ny sisa. Fanamby goavana mbola miandry azy, ary mbola nohamafisiny fa tsy maintsy hotanterahiny ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambatofotsy sy Fenomanana. Eo koa ny fanitarana ny Lisea sy ny fanatsarana ny Hopitalibe.

Mpanakanto nanafana ny lanonana teny Anosizato ny Alahady teo moa i Mr Sayda.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer