Politika
FAMPANDROSOANA TANTERAHIN’NY FILOHA RAJOELINA “Ambony ny tombana ho azy avy any ivelany sy eto an-toerana”
Herin-taona eo ho eo sisa dia ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Filoha Rajoelina. Maro ny zava-bita niompana tamin’ny fampandrosoana ny firenena sy nipàka mivantana tamin’ny vahoaka Malagasy. Hita tamin’izany ny tombana miainga avy tamin’ireo zava-misy iraisam-pirenena sy ny teto an-toerana azon’izao Fitondram-panjakana izao. Nitondra ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny Loholona Ramanambitana…
Efa-taona lasa nitondran’ny Filoha Rajoelina dia ambony ny tombana ho an’izao Fitondrana tarihiny izao, raha oharina amin’ireo lafim-pampandrosoana niainga tamin’ireo velirano napetrany tamin’ny vahoaka Malagasy. Eo ny zava-misy niarahan’i Madagasikara niasa tamin’ny iraisam-pirenena tao anatin’izay fotoana izay, fa eo koa ny tombana avy amin’ny vahoaka izay migoka ny fampandrosoana nentiny. Raha tsy haka lavitra afa-tsy ny Ticad andiany faha-08 natrehany tany Tunis, ny farany teo, sy ny fihaonany tamin’ny Filoha Frantsay, ka nahazoany indray famatsiam-bola mitentina 240 tapitrisa Euros, izay manaporofo izany. Manoloana izany dia mitohy ny fampandrosoana an’i Madagasikara, mandra-pahavitan’ny fe-potoam-piasan’ny Filoha, ka niantsoan’ny Loholona Ramanambitana Richard ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika mpanohitra. Nambarany fa “ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ihany no anaovana tombana azy, ary tsy misy afa-tsy ny fifidianana tokana no mampilamina ny firenena, ka tokony andrasan’ny rehetra”. Tsy misy fianakaviam-be iraisam-pirenena hanampy famatsiam-bola goavana isan-karazany toy ireny koa, raha tsy misy fitantanana mazava sy mandeha amin’izay laoniny, sy tsy misy tetikasa fampandrosoana tahaka izao misy ankehitriny izao, hoy ny Loholona. Porofon’izany hoy izy, ny fiantsoan’ny firenen-dehibe ny Filoha, sy ny nahazoany “Trophée” tao anatin’ny firenena 10 taty Afrika farany teo.
Nandresy ny sarotra ny Fitondran-dRajoelina…

Notsiahivin’ny Loholona Ramanambitana nandritra ity valan-dresaka nifanaovany tamin’ity mpanao gazety ity koa, ireo ady sy ezaka goavana tanteraky ny Fitondram-panjakana manoloana ireny ambana maro nisy sy nandalo teto amin’ny firenena ireny. Anisan’izany ny valanaretina covid-19, ny rivo-doza, ary ny ady miseho any Okraina. Niompana tamin’ny ara-tsosialy ny fanjakana, anisan’izany ireo karazana fanampiana samihafa toy ireny tohana maro karazana, fitsinjovana sy fanohanana ny mpandraharaha, fampiakarana ny karama farany ambany, ny fananganana fotodrafitrasa samihafa mipàka amin’ny fiainam-bahoaka. Manoloana izany indrindra dia niantso ny vahoaka ho tony hatrany, ny tenany, manoloana ireo raharaha politika nafam-pana teo ireny. Anisan’izany ny fiantsiana sy fanevatevana ny Filoha sy tompon’andraikitra vitsivitsy eto amin’ny firenena nataon’ireo mpila ravinahitra any ivelany. Nambarany fa “tsy mendrika ny maha Malagasy ary mifanohitra tanteraka amin’ny Soatoavina Malagasy izany, ka tsy azo ekena”. Eo koa ny raharaha distrikan’Ikongo amin’izao fotoana, izay niantsoany ny fitonian’ny maro. Efa mandray andraikitra ny Fitondram-panjakana, manoloana ny zava-misy. Tany tan-dalàna anefa, i Madagasikara, ary manana ny rafi-pitsarana mahefa manoloana ny zava-misy io. Manaja ny zon’olombelona koa isika, ary tokony hanaja koa ny Rafi-pitantanana misy eto amin’ny firenena, mba tsy hiverenana indray amin’ny fanjakan’ny baroa, misy fanabeazana tokony hamafisina eto amin’ny firenena, raha ny fanehoan-keviny momba io raharaha io.




