Songadim-baovaoToekarena
FAMPIAKARANA HETRA ATAON’NY AMERIKANINA: Laharam-pahamehana hatreto ny fitazomana ny asa sy fanampiana ireo orinasa
Anisan’ireo sehatra anaovan’i Madagasikara fanondranana any Amerika ny lamba, lavanila ary ny “caviar”. Misy amin’ireo orinasa mivelatra amin’ireo sehatra ireo eto Madagasikara no mandefa ny entan’izy ireo 100% any Amerika. Ny 50% sy 20%-ny vokatra no alefa any Amerika ho an’ny orinasa sasany ka ankoatra ireo dia anisan’ny lohalaharana amin’ny fandraisana vokatra avy eto Madagasikara ihany koa ny any Eoropa sy ny atsy Afrika Atsimo.
Sehatra mitondra faisana voalohany, amin’ny mety ho fampiharana ny fampiakarana hetra ho 47% alaina amin’ny fanondranana mankany Etazonia, ny an’ireo orinasa mpanondrana lamba eto Madagasikara. Ao anatin’ny fifanarahana AGOA mantsy, tsy andoavana hetra ny fanondranantsika lamba any Amerika hatramin’izay. Ireo orinasa misehatra amin’ny lamba, izay mampiasa olona hatramin’ny 5 000 isa ny iray. Tsy eto Antananarivo ihany fa misy ny sampan’reo orinasa ireo koa any amin’ny faritra.
Raha ny vaovao farany aloha hatreto, nampihato mandritra ny 90 io fampiakarana hetra io ho an’ny firenena miisa 75 ankoatra an’i Chine ny Filohampirenena Donald Trump. Na eo aza io fanapahan-kevitra noraisiny omaly io dia efa misy akony sahady eo amin’ny lafiny toekarena amin’ny firenena maro ny fanambarana natao ary efa mihomana amin’ny fitadiavam-bahaolana ny tompon’andraikitra. Mahakasika an’i Madagasikara manokana, fanapahan-kevitra noraisin’ireo Amerikanina mpanjifan’ny vokatra avy eto an-toerana hatreto ny fanenana ny kaomandy efa nalefan’izy ireo any amin’ny orinasa, araka ny tatitra avy amin’i Béatrice Chan Ching Yiu, filohan’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires). Ankoatra izay, misy amin’ireo mpanjifa no nampihato ny famokarana ny entana nafarany. Amin’izao fotoana anefa dia misy ireo entana efa tokony hiainga ho any Etazonia, raha ny tatitra hatrany. Misy amin’ireo entana sasany no efa eny ambony sambo. Misy ny efa vita fikarakarana ka miandry ny fiainganana sisa. Na izany aza, tsy mbola hita any amin’ireny orinasa ireny ny fanesorana mpiasa saingy io fanenana ny asa io no misy.
Ho fitadiavam-bahaolana, araka izany, dia nisy omaly ny fiaraha-minidiky ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana (MTEFoP) sy ny fivondronamben’ny mpampiasa, indrindra ireo mpisehatra amin’ny orinasa afak’haba. Mety ho fiantraikany ratsy amin’io fampiharana ny fampiakarana hetra hapetraky ny Amerikanina io mantsy ny fahaverezan’asa ho an’olona aman’aliny maro eto amintsika. Noho izany, nifampihaino sy nifampidinika ny Ministera sy ny mpampiasa mahakasika ny fomba hiatrehana ny zava-misy. Nohazavain’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana Hanitra Fitiavana Razakaboana fa hatreto, ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana dia ny fitazomana ny asa. Zava-dehibe ihany koa ny fanomezana tantsoroka ireo orinasa amin’ny alalan’ny fanalefahana ny lalàna. Manao fampiasam-bolana maro ny ankabeazan’ireny orinasa ireny ka mety hidirana fatiantoka, indrindra ireo izay tsy manondrana entana afa-tsy any Amerika ihany.
Taorian’io fifampiresahana tamin’ny fivondronamben’ny mpampiasa io, mbola hisy ihany koa ny fifampidinihana iarahana amin’ireo sendikan’ny mpiasa, hoy hatrany ny Minisitra, satria izy ireo no tena voakasika voalohany amin’izao tranga izao. Tsy maintsy mijery vahaolana ny Fanjakana hahafahana miatrika ny zava-misy. Ankilany, ireo departemanta Ministerialy hafa dia mampihatra ny paikady ihany koa mba tsy hisy akony lehibe amin’ny toekaren’ny firenena ny mety ho fandraisan’ny Amerikanina io fampiakarana hetra amin’ny fanondranan’entana any amin’izy ireo io.
Sarobidy Sidonie.



