PolitikaSongadim-baovao

FAMPIAKARANA HO 05% NY HARINKARENA FAOBE : Hitodika amin’ny fampiasam-bola ara-pamokarana ny Fanjakana anatin’ny “LFI 2025”

Hiompana kokoa amin’ny fampiasam-bola ara-pamokarana ny Fitondram-panjakana amin’ny taona ho avy io, raha ny vontoatin’ny tetibolam-panjakana 2025. Hotratrarina ny 05% amin’ny harinkarena faobe noho izany, ary vokatr’ireo ezaka vita tany aloha. Misy koa ireo loharanom-bola avy amina fakan-ketra vaovao hanampy ireo efa misy…

Mizara efatra lehibe ny tatitra momba ny tetibolam-panjakana taona 2025 izay notanterahin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly. Voalohany Ny hampiakarana ny harinkarena faobe Ho 05%, faharoa ny fidiram-bola, fahatelo ny lafiny fandaniana, ary fahaefatra farany ny fampiasam-bola miompana amin’ireo tetikasa lehibe toy ny fividianana masomboly ho fanatrarana ny tanjona amin’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny lalam-be migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ary ny « Route du soleil » sy ny famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina sy famahana ny olan’ny famatsian-drano. Eo amin’ny fampiakarana ho 05% ny harinkarena faobe amin’ny taona 2025 io, dia voalaza fa noho ireo ezaka isan-karazany efa vita, miampy ireo ezaka hotanterahina ny taona 2025. Anisan’izany ny lafiny fambolena, fa indrindra ny fambolem-bary. Raha namokatra maherin’ny 02T/Ha isika teo aloha, tamin’ny alalan’ny fomba fambolena sy ny masomboly mahazatra, dia hampiakarina ho 08 ka hatramin’ny 12T/Ha izany amin’ny alalan’ny fividianana masomboly vaovao, izay efa voafaritra anaty tetibolam-panjakana 2025. Hampitombo ny vokatra ho ampiasaina mba tsy hisian’ny fanafaram-bary intsony izany, raha ny fanazavan’ny Minisitra. Io laharam-pahamehana momba ny famokaram-bary io dia mahatonga fampiakarana hatramin’ny 573 miliara Ariary anatin’ny tetibolam-panjakana 2025.

Hisy fampidiram-bola amin’ny alalan’ny fampidiran-ketra vaovao

Teboka faharoa hampitombo io harinkarena faobe io ny fampidiram-bola vaovao anaty kitapom-bolam-panjakana hatramin’ny 143 miliara Ariary. Izany dia amin’ny alalan’ny fametrahana hetra an-kolaka 0,5% amin’ny fandefasana vola amin’ny finday, hihatra amin’ny fifanakalozana rehetra mihoatra ny 150 000 Ariary. Voalaza anatin’ny tetibolam-panjakana 2025 izany, ary natao hamenoana ny tahirim-bola ankapobeny Fanjakana. Fahita amin’ny firenen-kafa izany, raha izao vao hanomboka azy io isika eto Madagasikara. Anisany hetra vaovao hampidiram-bola ihany koa ny lafiny tontolo iainana eo amin’ny fampiasana plastika, izay manampy trotraka ny fanimbana tontolo iainana, dia ny fampidirana ny fanafarana fivarotana plastika eto Madagasikara, izay hisy « droit d’accise » manomboka ny 02%. Ankoatr’izay ny fanafoanana ireo fanalefahana ara-ketra ny taona 2024 manomboka amin’ny taona 2025 io. Tafiditra anatin’izany ireo karazan’entana hafarana izay nahazo fanalefahana, ka hiverina amin’ny laoniny ny taona ho avy. Hisy ny dinika hotanterahin’ny Governemanta amin’ireo Solombavambahoaka ny amin’izany.

Hiakatra 0,84% ny fandaniam-bola

Eo amin’ny lafiny fandaniam-bola toy ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia miakatra eo amin’ny 0,84%. Tafiditra anatin’izany ny fampidirana mpiasam-panjakana vaovao ny taona 2025, izay mitentina 3 846 miliara Ariary. Ny mpiasam-panjakana vaovao dia hahatratra 6 650 isa, ahitana zandary sy polisy ary miaramila. Eo koa ny sehatr’asa an’ny fahasalamam-bahoaka, fampianarana ankapobeny, ary fampianarana teknika sy fampianarana ambony. Tsy hiova kosa ny tambin-karama fa mijanona ho 244,8 lavitrisa Ariary.

Hihena 10% avokoa ny fampiasam-bola…

Eo amin’ny fampiasam-bola amin’ireo minisitera sy rafi-panjakana rehetra, dia hihena 10% avokoa ary hakisaka manontolo mankany amin’ny ara-pamokarana. Izany no mampitodika kokoa ny fampiasam-bola amin’ny ara-pamokarana ny taona ho avy io. Zavatra roa loha lehibe no hifantohana anatin’izany, dia ny lafiny jiro, izay tsy hanomezana tosika ara-bola ny orinasa Jirama intsony, fa havadika ho tosika ara-pitaovana avy hatrany enti-mamokatra herinaratra. Anisan’izany ny fananganana “Parc solaire” hamoaka tanjaka hatramin’ny 250MW, miampy “Parc éolien” sy “panneau solaire”, ary ny fanohizana ny fividianana ny “central thermique”. Mampitombo ny fampiakarana ny teti-bolan’ny minisiteran’ny angovo ho 562 miliara Ariary fanampiny anatin’ny tetibolam-panjakana izany. Ity famokarana angovo sy famokaram-bary ity, dia efa mahatratra maherin’ny 1000 miliara Ariary anatin’ny fampiasam-bolam-panjakana ny taona ho avy.

Vola tambin-karama hividianana fiara tsy mataho-dalana

Mikasika ny resaka fividianana fiara tsy mataho-dalana ho an’ireo Solombavambahoaka, dia nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, fa ny Antenimierampirenena no manatanteraka ny tolo-bidy sy manao ny fampiasana ny vola fa tsy misy hidiran’ny Fitondram-panjakana. Notsindriany manokana, fa volan’ny Antenimierampirenena tao amin’ny tambin-karama no nafindra tao amin’ny fampitaovana, izay entina hividianana ireo fiara tsy mataho-dalana. Marihina, fa raha 87 miliara Ariary ny tetibolan’ny Antenimierampirenena taona 2024, dia 85 miliara Ariary izany, ny taona 2025 ho avy io. Mandeha ny fandinihana ity volavolana tetibolam-panjakana taona 2025 ity eny Tsimbazaza, ary ho fantatra tsy ho ela ny fandraisana fanapahan-kevitra momba azy anaty fivoriana azon’ny besinimaro atrehina. Marihina, fa ny fandinihana ny tetibolam-panjakana toy izao no tena antom-pisian’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer